Natomboka omaly 21 desambra 2022 ny varotra “Vary tsinjo mifety” eny Alasora By Pass, Ambohidahy Ankadindramamy, ary Manjakaray. Amidy 650 Ar ny kapoaka na 2275 Ar ny kilao. Nanapa-kevitra ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria, Varotra sy fanjifana (MICC) fa tanterahina miaraka amin’ny SPM (State Procurement of Madagascar) ny varotra “Vary […]
Toe-karena
COI 40 taona: fiaraha-miasa aty amin’ny ranomasimbe Indianina
21 desambra 1982, feno 40 taona ny fanambarana amin’ny fomba ofisialy ny fisian’ny Port –Louis, midika ny fahaterahan’ny Komisiona ranomasimbe Indianina (COI) COI (Commission de l’Océan Indien), milaza ny fahavonana amin’ny fiaraha-miasa misy eo amin’ ny nosy telo : Maurice, Seychelles ary Madagasikara. Fivoriana voalohany tany Port-Louis, manamarika ny dingana […]
Nahampoana: hisintonana mpizahatany
Miverina tsikelikely ireo mpizahatany vahiny mpandeha sambo vaventy, mitsidika ny morontsiraka sasany eto amin’ny Nosy, rehefa tsy hita nandritra ny roa taona, noho ny valanaretina Covid-19. Hatramin’ny volana oktobra tamin’ity taona ity, nisy dimy izao ireo sambo vaventy nandalo teto Madagasikara, Ohatra Hanseactic Spirit nandalo tany Taolagnaro, nahitana mpizahatany alemaina […]
Betafo: misokatra ny tsenan’omby
Misokatra ny tsenan’omby ao Betafo, kaominina dimy ao anatin’ny distrika no mahazo tombontsoa avy amin’izany, raha voatery mankany Mandoto na Antsirabe ireo mpivarotr’omby teo aloha. Tombontsoa azo amin’ity tsena ao Betafo ity ny fisorohana halatr’omby sy hanala fahasahiranana ireo mpivarotr’omby amin’ ny taratasy sy fanarahana ny fahasalaman’ny omby. Fanampin’izay, ny […]
Rafidison Richard Theodore : “Tsy sakana amin’ny fampandrosoana ny haratsian-dalana”
Roa taona sy tapany izao no naha-governoran’ny faritra Atsinanana an-dRafidison Richard Theodore. Aminy, tsy sakana amin’ny fampandrosoana ny faritra ny haratsian-dalana, fa lasa hery hikarohana vahaolana ny hanatsarana azy ireny. Isan’izany ny famakian-dalana, mirefy 20 km tany Ampasimbe Onibe, distrika Toamasina II. «Mandeha indray izao ny fanarenana ny mampitohy an’i […]