Toe-karena

Fiaraha-miasa amin’i Sina: Ahazoana 12 t/ha ny vary safiotra

Hamafisina ny fiaraha-miasan’i Madagasi­kara sy i Sina. Natao sonia, omaly, ny fifanarahana mahakasika ny hanapariahana ny vary safiotra eto amin­tsika. Mifanaraka amin’ny toetr’andro sy ny toe-tany eto Madagasikara ny vary safiotra. Efa voaporofo ara-teknika sady nisy andrana natao, niarahana tamin’ny sinoa teknisianina. Anisan’ny misehatra amin’ ny famokarana azy ny vondrona […]

VAOVAO TAMBATRA

Miisa 125 ny valan-javaboahary eto Madagasikara, misandrahaka amin’ny velaran-tany 9 tapitrisa ha. Anisan’ny fitaratra amin’ny fitantanana azy ireny ny fikambanana Gerp any Maromizaha, izay vao nanavao ny drafi-pitantanany. Nomena tombondahiny ny velon-tenan’ny mponina, nahatonga ny any an-toerana tsy nahitana doro ala intsony. Hohamafisina ny fifanarahana ara-barotra eo amin’i Madagasikara sy […]

Ramakavelo Faly : «Azo tratrarina tsara ny mpizahatany 1 tapitrisa»

Tanjon’ny fanjakana ny hisarihana mpizahatany 1 tapitrisa amin’ny taona 2028, raha 350 000 ny taona 2023 teo. Nambaran-dRamakavelo Faly, mpahay toekarena sady mpandraharaha, fa « azo tratrarina tsara io tanjona io, satria mbola malalaka ny tsena ho antsika eto Mada­gasikara amin’ny fizahantany. Raha raisina ohatra ny atsy Maorisy, tsy misy afa-tsy […]

Anosibe Ifanja : tobim-pamokarana herinaratra

Notokanana ny sabotsy 6 jolay teo ny tobim-pamokarana avy amin’ny masoandro any amin’ny kaominina Anosibe Ifanja, distrika Miarinarivo. Tanteraka izany vokatry ny fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo sy ny orinasa WeLight Madagascar, ao anatin’ny fiaraha-miasa 3P. Manana tanjaka 33 KC ity fotodrafitrasa ity, ampiasana bateria 82 Wh. Miasa mamatsy […]

Famonoam-balala : Velaran-tany 6 000 ha ho tondrahana fanafody

Misy ny fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana amin’ny Tafika malagasy hamongorana ny andiam-balala. Ampiasaina ny angidimby. Mamaramparana ny fotoana famonoam-balala ny Ivontoerana famonoana valala eto Mada­gasikara (IFVM) eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fam­bolena sy ny fiompiana (Mi­nae), ao anatin’ny fandaharanasa Defis. Miara-miasa amin’izy ireo koa ny minisiteran’ny Foloalindahy. Nanainga ny […]