Toe-karena

VAOVAO TAMBATRA

Nampandre ny mpanjifany ny Jirama fa tara ny fahatongavan’ny sambo mitondra solika mavesatra avy any ivelany. Voatery mitsitsy ny tahiry eo am-pelatanana ny orinasa, hampihodinana ny milina mamokatra herinaratra. Nisy ny fanapahana ny famatsiana mandritra ny adiny roa, omaly. Vita omaly, ny famindram-pitantanana eo amin’ny tomponandraikitra voalohan’ny Tsenam­barom-panjakana avy amin’ny […]

Impulse 2024 : paikadin’ny MNP mandritra ny 5 taona

Nampahafantarina omaly, ny Paikadin’ny Madagascar National Parks (MNP) ato anatin’ny dimy taona ho avy (2024-2028). Antsoina hoe Impulse 2024, fiarahantsika ho an’ny valan-javaboahary ity paikady ity. Miahy ny MNP ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd). Efa fanao isan-taona, nanomboka ny taona 2019 ny fivoriana iarahana amin’ireo mpiara-miombon’ antoka […]

Fitantanam-bola : hiara-hiasa ny BNI sy ny Mvola

Mitohy hatrany ny tolotra omen’ny BNI Madagascar ho fahafaham-po ny mpanjifany. Ankehitriny, miara-miasa amin’ ny Mvola izy amin’ny alalan’ny tolotra #699# izay ahafahan’ny mpanjifa tsy ankanavaka manara-maso ny toe-bolany eny anivon’ny banky. Tsotra, mora, tsy mila internet ary tsy mifidy finday ny fidirana amin’izany. Mila mampifandray ny kaonty BNI Madagascar […]

Data Warehouse : fitahirizana niomerika ny antontam-baovaon’ny ladoany

Mampiasa fitaovana niomerika vaovao ny ladoany malagasy. Hitahirizana ny antontam-baovao maharitra ny Data Warehouse. Mampitombo ny fitaovana ampiasainy ny sampandraharahan’ny haban-tseranana malagasy. Hanangonana amin’ny fomba niomerika ny antontam-baovao rehetra kirakiraina ny Data Warehouse. Maro ny tombontsoa azo amin’ny fampiasana azy. Ahafahana mitahiry maharitra ny antontam-baovao, ampitahana ny karazana antontam-baovao samihafa, […]

VAOVAO TAMBATRA

Misy mangalatra ny tsivalamby arofanina amin’ny tetezana miisa 29 any amin’ny lalam-pirenena RN 44 (tapany avaratra PK 209), any amin’ny fokontany Antanifotsy, distrika Imerimandroso. Efa nampandrene­sin’ny fitantanam-paritry ny Asa vaventy (DRTP) ny tomponandraikitry ny zandarimaria. Nisy nanimba sy nandoro ny tahala amin’ny sisin-dalana amin’ny RN1 (PK 25 Beronono Imerintsia­tosika), saika […]