Ampy tsara ny firotsahan’ ny orana any amin’ny faritra Menabe, amin’izao fotoana izao. Mamelona ny fanantenan’ny tantsaha izany satria miroborobo ny fambolena. Mihazakazaka mirohotra amin’ny fanomanana sy ny fikarakarana ny tany hambolena izy ireo. Satria, manana fanantenana ny vokatra ho tsara amin’ity taom-pambolena 2025 ity ny tantsaha sy ny mpamokatra […]
Toe-karena
VAOVAO TAMBATRA
Nahitsy ny fifanarahana solika eo amin’ny Fanjakana, ny Jirama ary ny Jovena. Voakasik’izany ny famatsian’ny Jovena solika menaka mavesatra HFO ny orinasa Jirama, mandritra ny 3 volana (janoary –marsa 2025). Tanjona ny hiantohana ny famatsiana solika ny Jirama tsy ho tapaka mihitsy. Tombanana ho 12 000 m3 ny fandaniana solika amin’ny […]
Angovo ho an’ny daholobe: Jiro cobra ho an’ i Toamasina
Natomboka tany Toamasina, ny zoma 31 janoary teo, ny tetikasa « Hazavana ho an’ny rehetra », ho an’ity taona 2025 ity. Fotoana nanamarihana izany, ny nanolorana ny jiro cobra tao amin’ny biraon’ny kaominina Toamasina I. Nanatanteraka izany ny delegasiona avy amin’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo, notarihin’ny talen’ny Kabinetra, Randrianaina Odon Marius. […]
Tahirin-javaboahary Betampona: Nahitana voninkazo Orkide ahina ho lany tamingana
Maherin’ny 1 000 ny karazana voninkazo orkide eto Madagasikara, izay tsy fahita raha tsy eto amintsika ny ankamaroany. Ahiana ho lany tamingana ihany koa anefa izy ireny. Mahaliana ny mpikaroka hatrany ny karazan-javamaniry sy biby eto Madagasikara. Nisy fikarohana niavaka, niaraka nataon’ny mpahay siansa avy amin’ny Missouri Botanical Garden (MBG), ny […]
EDBM : Niampy 433 ny orinasa nitsangana ara-dalàna
Mitotaly 433 ireo orinasa nisoratra anarana eny anivon’ny Economic Development Board of Madagascar (EDBM), nandritra ny telo volana faran’ny taona 2024. Nahitam-piakarany 20,2% ity tarehimarika ity raha oharina ny tamin’ny taona 2023, hoy ny fanazavana voaray. Orinasa manana mpiara-miombon’antoka malagasy maro anisa ny 70%-n’ireo orinasa voalaza etsy ambony. Ahitana mpiara-miombon’antoka […]