Toe-karena

MIASA sy PAM : Tantsaha 10 000 misehatra amin’ny fambolena sakafo

Miara-miasa ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo (MiASA) sy ny Fandaharanasa iraisam-pirenena ara-tsakafo (Pam). Hapetraka ny bankin-tsakafo hanamafisana ny fahaiza-manao momba ny fanjarian-tsakafo. Hampifandraisina ny se­hatry ny fambolena sy ny fanjarian-tsakafo. Antony, ny fiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro sady entina hampandrosoana ny tontolo ambanivohitra. Io no anisan’ny nivoitra, nandritra ny […]

Fiaraha-miombon’antoka : Ambasadaoron’ny Airtel i LJo sy Valisoa

Nohavaozina ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny Airtel sy Airtel Money amin’i LJo sy Valisoa Rama­nan­janahary, fantatra hoe Valisoa Regarde le monde, anaty tambajotra sosialy. Notendrena ho ambasadaoron’ny Airtel sy Airtel Money izy mianadahy ireo, hitondra ny mari-pamantarana manerana ny dia halehan’izy ireo. Izany hoe, hisolo tena ny Airtel sy ny […]

StarTimes : Tolotra manokana ho an’ny mpanjifa

Manakaiky ny mpanjifa! Tsy mitsahatra mikaroka zava-baovao sy manome fahafam-po ny mpanjifany hatrany ny StarTimes. Tolotra miavaka indray no atolony, nanomboka ny 1 jona hatramin’ny 31 jolay. Misitraka karazam-pandaharana fanampiny maro ny mpanjifa mandritra io roa volana io, rehefa manampy 10 000 Ar monja amin’ny saram-pamandrihana mahazatra. Misy karazany telo izany, […]

Famokarana : Nahazo fampitaovana ny MEH

Mitentina 2 500 tapitrisa dolara ny tetibidin’ireo fitaovana natolotra ho an’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo (MEH), teny Ampandrianomby, omaly. Fampitaovana hanamafisana ny fahafahan’ny minisitera manatanteraka ny andraikiny. Tafiditra ao anatin’izany ny fiara tsy mataho-dalana (Pick-Up) miisa 38, moto « cross » 55, « laptop » miisa 55. Eo ihany koa ireo solosaina fampiasa am-birao […]

VAOVAO TAMBATRA

Vonona hiara-kiasa amin’i Madagasikara i Alemaina amin’ny lafiny fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro. Nitsidika ny minisitra Andrianavalona Herizo ny masoivoho Olivier Knoerich, omaly 3 jona. Nankasitrahin’ny minisitra izany fahavononany izany, sady mila atao anatin’ny mangarahara. Mila jerena ihany koa ny sehatra hafa izay tena laharam-pahamehan’ny vahoaka sy ny fanjakana […]