Atsahatra vonjimaika ny fihodinan’ny ampahany amin’ny Accelator ao Mandroseza, anio, noho ny fikojakojana atao ao an-toerana. Hanomboka amin’ny 7 ora maraina ny asa, izay haharitra ora valo. Hikorontana ihany koa ny famatsian-drano amina faritra maro eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Toy ny eny Ambohijatovo, Faravohitra, Ambatonakanga, Antaninarenina, Ambatovinaky, Ambohidahy, Amparibe, […]
Toe-karena
Famatsiana solika : Mikasa hanafatra any Oman i Madagasikara
Mikasa hanafatra solika mivantana any Oman i Madagasikara. Nivoitra izany nandritra ny fihaonan’ny filoha, ny kolonely Randrianirina Michaël sy ny delegasionina avy any Oman notarihin’ny Abdulsalam Bin Al Murshidi, filohan’ny fahefana misahana ny fampiasam-bola ao Oman, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloho, ny talata teo. Voaresaka manokana ny famatsiana solika izay azo […]
Foaran’ny Fromazy: Misongadina ny Vita malagasy
Nanomboka omaly, ary hifarana amin’ny sabotsy 25 jolay, ny Foara ho an’ny Fromazy aty afovoan-tany (FFHT), andiany fahatelo. Mikarakara azy ny M’Anja Event, eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fiompiana, iarahana amin’ny Fohrm sy ny Malagasy Dairy Board (MDB). Manodidina ny 30 ny tranoheva, ahitana ireo mpisehatra amin’ny ronono sy ny mpanamboatra […]
Fandaharanasa Fandroso : Vola 200 miliara Ar hanohanana ny tanora manana tetikasa
Nampahafantarina omaly, tetsy amin’ny Lapan’Ambohitsorohitra, ny fandaharanasa Fandroso, hanohanana ny tanora manana tetikasa. Misy karazany roa izany, ny sokajy Tsiry, ho an’ny tanora vao manomboka handraharaha sy ny Tafita ho an’ireo hanitatra ny fihariany. Ho lasa mpamorona asa mihitsy ny tanora, fa tsy tokony hiandry asa fotsiny. Maro ny tanora […]
VAOVAO TAMBATRA
Nisy fiarabe iray nitondra solika mavesatra nibahana teo Ambohipeno, nanomboka ny alatsinainy 20 jolay teo tamin’ny 6 ora sy 30 mn hariva. Tsy mbola afaka teo an-toerana ity kamiao ity, omaly talata tamin’ny 7 ora hariva. Nisy fikorontanany, noho izany, ny famatsiana herinaratry ny Jirama, ao anatin’ny Tambajotra Iraisan’ Antananarivo […]





