Toe-karena

Fizahantany : Azo tratrarina ny vahiny 600 000 isan-taona

Nosokafana omaly 11 jona, eny amin’ny CCI Ivato, ny Foara iraisam-pirenena ho an’ny fizahantany (ITM) andiany faha-12, sy ho an’ny asa tanana IHM, andiany fahatelo. Lohahevitra noraisina ny hoe: Ny harena maha olombelona, fototry ny dia mankaty Madagasikara ». Haharitra hatramin’ny alahady 14 jona 2026 ity fotoan-dehibe ity. Nasongadin’ny Filohan’ny filankevi-pitantanan’ny […]

Filoha Randrianirina Michaël : Tsy maintsy ahitana vola ny hamitana manontolo ny RN13

Napetraky ny kolonely Randrianirina Michaël, omaly, ny vato fototra ho fanombohana ny lalana ao an-tampon-tanànan’i Betroka. Nanome toky koa izy fa tsy maintsy ahitana mpamatsy vola ny hamitana manontolo ny eo Ihosy hatrany Ambovombe. Mitohy ny fanarenana ny lalam-pirenena RN13. Natomboka tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny fa­namboarana ny lalana mamakivaky […]

VAOVAO TAMBATRA

Hatao ny fanadihadiana ara-tontolo iainana ny tetikasa Produir. Ny fanjakana no hiantoka ny vola hanatanterahana azy. Tsiahivina, fa natao itsinjovana amin’ ny tondradrano eny amin’ny faritra iva eto Antananarivo ity tetikasa ity. Voakasik’izany, ny fiarovana ny reniranon’Ikopa sy Sisaony, ary indrindra ny fanadiovana sy ny fanamafisana ny lakandrano Andriantany sy […]

Famokarana : Hanafatra trakitera hanatsarana ny fambolena

Nitondra fanazavana, na­maly ny fanontanian’ny solombavambahoaka, ny minisitry ny Fambolena sy ny fahaleovantena ara-tsakafo (MiASA), Ramindo Gaëtan, ny talata 9 jona teo. Nomarihiny manokana ireo paikady lehibe, mamaritra ny politikan’ny fanjakana, entina hampandrosoana ny tontolo ambanivohitra eto Ma­da­gasikara. Toy ny fanohanana mivantana ny tantsaha, amin’ny alalan’ny fanamorana ny fisitrahana masomboly […]