Mandray andraikitra amin’ny fanatsarana ny tanànan’i Toliara ny fikambanana Tomira. Nanao asa tanamaro nanadiovana lakandrano izy ireo, notohanan’ny orinasa Base Toliara. Manana tanjona hanatsarana ny tanànan’i Toliara ny kaominina an-dRenivohitra Toliara. Ankoatra ny fidiram-bolany manokana, misy koa ny fiarahana miombon’antoka amin’ny mpisehatra samihafa, ahazoany fitaovana. Nilaza ny ben’ny Tanàna, Vita […]
Toe-karena
Sediem: mamatsy menaka ao Vakinankaratra
Manodina ny soja ho lasa menaka, mamatsy menaka ny faritra Vakinankaratra iray manontolo ny orinasa Sediem ao Betafo, amin’izao fotoana. Nahazo tohana teknika amin’ ny fambolena sy fitehirizana ary fanatsarana ny vokatra soja izy ireo. Mahavita manodina io vokatra io, 4 hatramin’ny 10 T isan’andro ho lasa menaka ny orinasa. […]
Atsimo Atsinanana : voandara samy hafa amin’ny vokatra kafe
Hazo maniry miroborobo any amin’ny faritra Vatovavy, Fitovinany sy Atsimo Atsinanana ny Dara, ary ny voany atao hoe voandara. Mitovy amin’ny kafe ary ny anarany amin’ny teny vahiny rahateo “café sauvage“. Hotazana izy dia atapy ary azo sotroina toy ny kafe ihany, saingy samy hafa mihitsy ny voandara sy ny […]
Menabe : anjakan’ny kolikoly ny hazo sarobidy
Navoakan’ny Transparency International –Initiave Madagascar (TI-GM), omaly fa anjakan’ny kolikoly ny fanondranana hazo sarobidy avy any amin’ ny faritra Menabe. Fahavoazana goavana ho an’ny firenena, satria manapotika ny tontolo iainana no mahafatiantoka ny fanjakana, araka ny nambaran’ny TI-GM. Betsaka ny kolikoly amin’ ny ambaratonga samihafa , manomboka eo amin’ny fanapahana […]
CESC: hatao hanampy ny governemanta sy ny Antenimiera roa
Heverina ny tokony hananganana ny Filankevitra momba ny toekarena, sosialy, ary kolontsaina (CESC)*. Antony, hametraka bebe kokoa ny fandraisana anjara amin’ny fampandrosoana maharitra an’i Madagasikara. Tsy mbola tafapetraka hatramin’izao ny CESC na efa voafaritry ny Lalàmpanorenana aza izany ao amin’ny andininy faha-105. Tao anatin’ny volana maromaro, ny solontenan’ny firaisamonina sivily, […]