Toe-karena

Fanondranana jirofo : mitana ny lohalaharana i Madagasikara

Misahana ny 27%-n’ny sehatra iraisam-pirenena amin’ny fanondranana ny vokatra jirofo i Madagasikara, araka ny tatitry ny «Economic Development Board of Ma­dagascar» na ny (EDBM). Io tarehimarika io izay mametraka azy ho lohalarana amin’ireo firenena maneran-tany amin’ity seha-pihariana ity. Ho an’ny taona 2022, nampiditra hatramin’ny 224,7 tapitrisa dolara io vokatra io. […]

Fotodrafitrasa: ho vita ny volana jona ny RN44

Anatin’ny velirano, fampanantenan’ny filoham-pirenena Rajoelina Andry, hotokanana afaka enim- bolana ny lalam-pirenena mampitohy an’i Moramanga sy Ambaton­drazaka. Nandritra ny lahatenin’ny filoha ny faran’ny taona teo, efa miroso tsikelikely amin’ny famitana io lalana io ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana. «Hifarana tanteraka amin’ny volana jona 2023 ny asa fanamboarana», hoy ny filoha, ny […]

Eran-tany

Hamafisina ny fanofanana ireo mpitantana hotely any Rwanda amin’ny fahaizana mandray mpizahatany. Maro ireo Onivesite sy Ivontoerana mampanantena fari-pahaizana manokana momba ny fandraisam-bahiny. Nambara, ohatra, izay tokony hatao minitra vitsy alohan’ny ora fisakafoana sy fahatongavan’ireo vahiny. Tokony hahalala tsara izay tokony hataony ireo mpandray mpizahatany, hahafantaran’ireo vahiny tsara ny tokony […]

Seranan-tsambo Ehoala : 400 ha afaka hifaninanana amin’ny sehatra maro

Anisan’ny ampandrosoana ny toekarena any amin’ny faritra Atsimo, Madagasikara amin’ny ankapobeny mihitsy ny fisian’ny seranan-tsambo Ehoala, any Taolagnaro. Se­ranan-tsambo goavana io mampiseho ny fiaraha-miasa eo amin’ny Rio Tinto, mpitrandraka fasimainty sy ny seranana ao Ehoala. Misy ihany koa ny andraikitry ny APMF (1) sy ny tetikasa PIC (2) 400 ha […]

Madagasikara sy Chine : Betsaka ny fifanakalozana ara-barotra anatiny sy ivelany

Ny varotra ivelany manan-danja lehibe eto Madagasikara amin’ny fampandrosoana ny toekarena. Firenena maharay harinkarena hatrany amin’ny 49 % , vola miditra avy amin’ny ladoany, hetra sy TVA avy amin’ny fanafarana entana raha ny fahitan’ny Banky iraisam-pirenena azy. Manana ny toerany ny varotra ivelany eto Madagasikara, firenena maharay ampahany betsaka avy […]