Toe-karena

Fiahiana sosialy sy toekarena ny marefo: 250 tapitrisa dolara avy amin’ny Banky Iraisam- pirenena

Efa nisy ny fandaharanasa tohanan’ny Banky Iraisam-pirenena, hanohanana ny fiarovana sosialy aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika, saingy tsy ampy mahasahana ny rehetra, na efa misy fivoarany aza. Izay no nahatonga ny nametrahana ny Tetikasa fiahiana ara-tsosialy sy fiatrehana ny voina (PFSS). Nankatoavin’ny filankevi-pitantanan’ny Banky Iraisam-pirenena (BM), ny 21 desambra teo, […]

Befandriana Atsimo: tafapetraka ny fari-pitrandrahana any amin’ny kariera

Nidina tany amin’ireo kariera maro ao anatin’ny kaominina Befandriana Atsimo, distrika Morombe, faritra Atsimo Andrefana, ny fitantanam-paritry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika (DIRMRS) Toliara, ny 19 hatramin’ny 21 desambra teo. Napetraka ny fari –pitrandrahana na « zone d’encadrement », mamaritra ny toerana azo hiasan’ny mpitrandraka madinika. Notombanana ny toeram-pitrandrahana, […]

Hetsika CRCO-CRFIM: sambo miisa 19 nampiahiahy taty amin’ny ranomasimbe Indiana

Natao ny 14 hatramin’ny 19 desambra teo, ny hetsika an-dranomasina, niarahan’ny Foibem-paritra mandrindra ny asa aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indiana (CRCO) any Seychelles, miara-miasa amin’ny Foibem-paritry ny fampifandrasaina ny antontam-baovao an-dranomasina aty Madagasikara ary ny iraka EUNAVFOR Atlanta. Nomena ny anarana hoe Levante ity hetsika an-dranomasina vaovao ity. Notetezina […]