Nanana ny toerany tamin’ity taona 2023 ity, ny fanamboaran-dalana. Anisan’ny nisongadina tamin’izany ny fahavitan’ny lalam-pirenena RN9, ny RN44, raha mbola mitohy ny asa any amin’ny RN13. Notokanana ny volana aogositra 2023 teo ny lalam-pirenena RN9. Mirefy 165 km ny lalana natao godirao tanteraka, izay nizara roa. Eo Analamisampy hatrany Bevoay, […]
Toe-karena
Tetikasa PSAE : nahazo tosika hamokarana asa ireo fikambanam-behivavy
Natolotra omaly, tetsy Andohatapenaka, ny valin’ny fifaninana ho an’ireo fikambanam-behivavy ao anatin’ny fokontany 10 hiasan’ny tetikasa tohanan’ny Développement et paix Canada, eto an-drenivohitra. Nokarakarain’ny «Programme de solidarité Andohatapenaka et Environnement» (PSAE), eo anivon’ ny CDA izany tetikasa izany. Sivy ireo fikambanam-behivavy nandray anjara. Nahazo ny loka mendrika, manodidina ny 8 […]
Raharaha vary simba : olona fito naiditra am-ponja vonjimaika
Naiditra am-ponja vomjimaika ao Marofoto, Mahajanga ireo olona fito voarohirohy tamin’ny fanadiovana ilay vary simba 50 kaontenera tratra tao Mahajanga. Anisan’izany ny mpanangom-bokatra sady tompon’ilay orinasa, ny tompon’andraikitra tamin’ny fikarakarana ny taratasy. Voasaringotra tamin’ny raharaha ihany koa ny mpitoto vary, ny mpamily sy ny mpanampin’ny mpamily ary ny mpibata entana […]
Sakaraha : narahi-maso ara-teknika ny mpiompy trondro
Nidina ifotony, nitsirika sady nanohana ara-teknika ny mpiompy trondro any amin’ny distrikan’i Sakaraha, ny tomponandraikitra ao amin’ny fitantanam-paritry ny Jono sy ny toekarena manga (DRPEB) Atsimo Andrefana, ny 24 desambra 2023 teo. Narahi-maso sady nomena tolo-kevitra ara-teknika ny mpiompy trondro, ahafahany manatsara ny seha-pihariany. Telo ny mpiompy trondro notsidihina, ka […]
Taom-pambolena 2023-2024: nahatratra 380 000 kilao ny masomboly vary voazara
Manohana mivantana ny tantsaha mpamboly ny tetikasa “Purpa », vatsian’ny Banky afrikanina ara-bola, hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Notolorana kojakojam-pamokarana izy ireo, toy ny masomboly samihafa, sy zezika NPK sy organika. Nosantarin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), ny volana novambra teo, ny taom-pambolena 2023-2024. Misy ny lamina sy ny paikady mazava […]




