Toe-karena

Fiovan’ny toetr’andro: laharana fahefatra farany marefo i Madagasikara

Laharana fahefatra alohan’ny farany amin’ny faharefoana amin’ny fiovan’ny toetr’andro i Madagasikara. Nisehoan’ny fiovan’ny toetr’andro voalohany indrindra tany amin’ny faritra Atsimo, tamin’ny taona 1950. Niitatra tany amin’ny faritra Avaratra izany, tamin’ny taona 1970, araka ny tatitra navoakan’ny sampandraharaha mpamantatra ny toetr’andro (DGM) tamin’ny taona 2008. Mandrora miantsilany ny olombelona satria manimba […]

Fahavitan-tena ara-tsakafo: mitohy ny fanohanana mivantana ny tantsaha

Anisan’ny hifantohan’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana ny fanajariana ny lemaka sy ny fizarana kojakojam-pamokarana. Eo koa ny fizarana titra tany maitso (titre vert) ho an’ny tanora, sy fanomezana tohana amin’ny fiompiana.  Tanjona napetraky ny fanjakana, tanterahin’ny minisiteran’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae) ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Fomba hanatrarana izany […]

Jery todika 2023: sahirana ny Madagascar Airlines

Misedra ara-bola ny kaompania Air Madagascar. Tsy misy ny fiaramanidina miantoka ny zotra lavitr’ezaka, toy ny mankany Eoropa. Vahaolana, nentin’ny tale jeneraly, ankehitriny, Thierry de Bailleuil, ny hindramam-bola any amin’ny Banky iraisam-pirenena, ao anatin’ny drafi-panarenana « Phenix 2030 ». Mahatratra 20 dolara ny sora-bola mety ho hampindraminy. Miato ankehitriny ny fitateran’ny Madagascar […]

Paositra malagasy – hajia vaovao : manome voninahitra an’i Rado

Natolotra tamin’ny fomba ofisialy ny alakamisy teo, teny Ankorondrano, ny hajia vaovao hanomezam-boninahitra an’i Rado na Andriama­nan­tena Georges, ilay mpanoratra fanta-daza. Niaraka natolotra nandritra io fotoana io ihany koa ny hajia iray hafa maneho ireo karazana sokatra dimy tsy misy afa-tsy eto Mada­gasikara. Manan-kery sy mbola miasa ny hajia na […]

2028 : 1 tapitrisa ny mpandoa hetra

Tafiditra ao anatin’ny politikam-panjakana ny fanatsarana ny fampidiran-ketra ahafahana mampiroboro ny toekarena. « Tanjona ho an’ny taona 2028 ny hanatrarana ny mpandoa hetra ho1 tapitrisa ”, hoy ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny foibem-pitondrana ankapoben’ny hetra (DGI), i Germain R. , taorian’ny fanolorana ny ivontoeram-pitantanana ny “Centre de gestion agréé” (CGA) an’ireo orinasa […]