Natsahatra ny fanodinana ireo vary 50 kaontenera simba ao Mahajanga taorian’ny resabe niely teny anivon’ny fiarahamonina. Mbola mitana ny sain’ny maro ny raharaha momba ilay vary simba 50 kaontenera mitoby ao amin’ny orinasa Vison Madagascar,Vima, (Sotema taloha), ao Mahajanga. Niely ny feo fa haparitaka eny an-tsena ireo vary ao anaty […]
Toe-karena
Farihy Tsimanampetsotsa: arovana ny trondro jamba mitoho
Karazan-trondro jamba ny mitoho, antsoina hoe : « Typhleotris madagascariensis ». Tsy hita maneran-tany afa-tsy any amin’ny faritra Atsimo Andrefan’i Madagasikara, toy ny ao anatin’ny zohy valanjavaboahary arovana ao Tsimanampetsotsa, Toliara. Mitantana ity toerana ity ny Madagascar National Park (MNP), miara-miasa amin’ny Vondrona olona ifotony (VOI). Manana ny kolontsainy mampiavaka azy ny mponina […]
Fanondranana: hapetraka ny fenitra momba ny lavanila
Hiompana amina teboka efatra ny fenitra takina momba ny fanondranana dia ny famaritana ny lavanila vaky, ny fametrahana ny firenena niotazana ny vokatra hamidy eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Voalaza ao anatin’izany ny tahan’ny hamandoana sy ny tahan’ny vanilinina ary ny fomba fanatanterahana ny fanadihadiana simika ny lavanila araka ny fenitra […]
RN4: vita tanteraka ny tetezan’i Maromalandy
Nosoloina tanteraka ny tetezan’i Maromalandy, any amin’ny lalam-pirenena fahefatra (RN4), izay efa tena antitra. Noravana manontolo, ary novana ho tetezana vita amin’ny « béton » azo ifanenan’ny fiara roa, mirefy 43 metatra. Natao ny 13 novambra 2023 ny andrana fampandehanana fiara teo amboniny. Hita fa manaraka ny kalitao takina ny nanatanterahana ny […]
Tao anatin’ny 10 volana: nihena ny fanafaran’i Madagasikara vary
Nahitana fidinana ny taham-panafaran’i Madagasikara vary tao anatin’ny folo volana voalohan’ny taona 2023 raha oharina tamin’ny taon-dasa. Nihena ny fanafarana vary nataon’i Madagasikara nandritra ny 10 volana voalohan’ny taona, raha ampitahaina tamin’ny taona 2022. Manodidina ny 370 510 t ny vary nafarantsika raha toa ka mahatratra hatrany amin’ny 599 603 […]




