Toe-karena

Fampandrosoana : manomboka ny fizarana « titre vert »

Dingana goavana amin’ny fampandrosoana ny seha-pamokarana sy hanatrana ny fahavitan-tena ara-tsakafo ary ny fampananan’asa ho an’ny tanora ny tetikasa “titre vert”. Tanora mpamboly 100 mianadahy nisitraka velarantany 200 ha tao amin’ny fokontany Tsi­manariloka, kaominina Itremo, distrikan’Am­batofi­nandrahana, ho an’ny faritra Amoron’i Mania. Lehilahy ny 67% an’ireo tanora nahazo izany raha toa […]

Aviation civile de Madagascar : nihena ny mpandeha fiaramanidina tao anatin’ny iray volana

Nanomboka mihena ny isan’ny mpandeha fiaramanidina eto Madagasikara ny volana aogositra teo. Ny volana oktobra teo, nilatsaka ny antontanisa noho isika manomboka miditra amin’ny vanim-potoanan’ny fahavaratra. Nilatsaka hatrany amin’ ny 117 000 ny mpan­deha fiaramanidina ny volana septambra teo raha toa ka nahatratra 130 000 izany ny volana aogositra, araka […]

Fiaraha-miasa : tetikasa roa hampandrosoana ny toekarena

Natao hampandrosoana ny toekarena sy ny sosialin’ny firenena malagasy ny tetikasa AMRP sy ARCEB, niarahan’ny governemanta Malagasy sy ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana. Ani­san’ny zava-bitan’ny tetikasa ny fanadihadiana izay nanome soritra ny mety hanakarana ny tahan’ny tsindrin-ketra amin’ny alalan’ny fanakarana ny vola miditra ho an’ny fanjakana. Ao ihany koa […]

FIHARIANA MAKAMBA : nampidi-bola 15 miliara Ar

Tafakatra hatrany amin’ny 15 miliara Ar ny vola niditra tamin’ny kitapom-bolam-panjakana tamin’ny alalan’ny jono makamba nandritra ny taona 2023 raha manodidina ny 2,9 lavitrisa Ar izany tamin’ny taon-dasa sy talohan’izay. “Manampy betsaka tamin’ny fahazoana izao vokatra izao ny fanavaozana natao nanomboka tamin’ny taona 2021 izay nifantoka tamin’ny fanaraha-maso ny isan’ireo […]

Pam sy Minae : ankizy 240 000 hisakafo any an-tsekoly

Manohana ny famokarana ambanivohitra ny Banky iraisam-pirenena. Mampitombo ny fahavitrihan’ny mpamokatra ny fahitana lalam-barotra. Anisan’izany ny fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny Pam. Natao sonia omaly, ny fifanarahana eo amin’ny minisiteran’ny Fam­bolena sy ny fiompiana (Minae) sy ny Fandaharanasa iraisam-pirenena mikasika ny sakafo (Pam). Tafiditra ao anatin’ny Tetikasa hiatrehana ny lafiny […]