Toe-karena

MS ZUIDERDAM: nitondra mpizahatany 1 800 nitsidika an’i Nosy Be

Tafiditra anatin’ny vanim-potoana fandalovan’ireo sambo lehibe (paquebot) mpitondra mpizahatany eto Mada­gasikara isika izao. Fotoana hampiroboroboana ny toekarena amin’ny alalan’ny fizahantany. Nandalo tao amin’ny faritra Nosy Be ilay sambo lehibe MS ZUIDERDAM ta­min’ny alalan’ny “Madagascar Air tours”. Manodidina ny 1 800 ireo mpizahatany tao anatin’ ny sambo izay avy amin’ny firenena […]

Toekarena: nifanohana ny mpandraharaha

Nifarana ny sabotsy teo ny fihaonambe nasionalin’ny mpandraharaha (forum des entrepreneurs), andiany faha-5, nokarakarain’ny fikambanana Club des Entrepreneurs eo anivon’ny Madagascar Entreprises Développement Aina. Hetsika nahafahan’ireo mpandraharaha madinika sy salantsalany mifampizara traikefa, mifanakalo hevitra manoloana ny fiakaran’ny vidim-piainana izay miantraika betsaka amin’ny toekarena sy ny fandraharahana. Nisy ny varotra sy […]

Letisia : hanondrana 18 000t i Madagasikara amin’ity taona ity

Toy ny tamin’ny taon-dasa, nanodidina ny 18 000t ny vokatra letisia naondran’i Madagasikara tany ivelany. Hanomboka ny talata izao ny taom-piotazana. Tapaka taorian’ny fivorian’ ireo mpisehatra samihafa eo amin’ny letisia fa manodidina ny 17 500-18 000t ny vokatra letisia aondrantsika any ivelany amin’ity taona ity. “Quota” mitovy tamin’ny taon-dasa. “Handray […]

Tetikasa Purpa : mahatratra 4,15 t/ha ny voka-bary

Nivory ny 15 novambra teo ny mpikambana ao anatin’ny Filankevitra mpandrindra ny paikady ho an’ny Tetikasa maika, hanamafisana ny vokatra ara-tsakafo (Purpa). Nan­katoavina ny Drafitry ny tetibola hoenti-miasa (PTBA) ho an’ny taona 2024. Tanjon’ny tetikasa ny ham­piakarana ny vokatra sy ny famokarana, mamaly ny filan’ireo orinasa famokaran’ny fianakaviana tantsaha (EAF), […]

Fizahantany 2024 : firenena tsara tsidihina i Madagasikara

Tafiditra anatin’ireo toerana tsara tsidihina mandritra ny taona 2024 i Madagasikara, araka ny tatitra navoakan’ny gazety boky Condé Nast Traveler. Toerana azo hijanonan’ireo sambo vaventy toa an’i Silversea, Lindblad, Swan Hellenic ary Seabourne ny firenena malagasy. Nanomana toerana vaovao azo tsidihina ihany koa ny Masoala forest Lodge sy Madagascar classic […]