Fifanakalozana eo amin’ny mpandraharaha ahafahana miatrika ny fidangan’ny vidim-piainana ny fikaonandoha nasionaly ho an’ny mpandraharaha. Ao anatin’izay ny fampiroboroboana an’ireo orinasa madinika sy salantsalany. Mifototra amin’ny fifampizarana traikefa ataon’ireo orinasa lehibe ho an’ireo orinasa madinika sy salantsalany ny fikaonandoha nasionaly ho an’ny mpandraharaha (forum national des entrepreneurs na FNE), andiany […]
Toe-karena
Fandraharahana : fototra mampihodina orinasa ny angovo
Miantraika mivantana eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana ny olan’ny angovo. Misedra fahasahiranana amin’ izany ireo orinasa madinika sy salantsalany tsy manana fahefa-mividy groupe éléctrogène hanodinany ny orinasany. “Tokony hapetrka ny tontolo ahafahan’ny rehetra miasa am-pilaminana sy ampahatoniana. Andraikitry ny fivondronan’ny mpandraharaha malagasy (Fivmpama) ny fampakarana ny harikarena faobe sy ny fampandrosoana […]
Airtel : ampiasaina amin’ny fambolena ny teknolojia niomerika
Nihaona tamin’ireo mpandraharaha ara-toekarena tany Toamasina ny tomponandraikitry ny Airtel, tamin’ity herinandro ity. Nampahafantarina ny tetikasa hampiasana ny teknolojia niomerika eo amin’ny sehatry ny fambolena, iarahan’ny Airtel sy ny vovonana Avaya miombon’antoka. Natao sonia tany Toamasina ny fifanarahan’ izy ireo sy ny ONG Adid. Nilaza ny tale jeneraly mpisolo toerana […]
Taom-piotazana letisia : hisokatra ny 21 novambra izao
Hanomboka amin’ny herinandro 21 novambra amin’ny telo ora tolakandro ny taom-piotazana letisia, ao amin’ny faritra Atsinanana sy Analanjirofo. Fanapahan-kevitra noraisina taorian’ny fivoriana faharoa nataon’ireo mpandraharaha letisia (GEL) sy ny solontenam-panjakana ary ireo tomponandraikitra samihafa voakasika rehetra, omaly, tao Toamasina, araka ny fanazavan’ny governoran’ny faritra Atsinanana. Hisokatra ny zoma izao kosa ny “guichet unique” […]
Ambatoboeny : ho vita tsy ho ela ny baka
Vita ny faran’ny herinandro teo, ny ampahany voalohany amin’ny asa fanarenana sady fanamboarana ny baka, ao amin’ ny «radier» Ambatoboeny. Eo amin’ny halavirana PK 20 amin’ny lalam-pirenena RN33B no misy azy. Manatanteraka ny asa ny Fitantanana tohana amin’ny asa vonjy taitra (DAU) ao amin’ny minisiteran’ny Asa vaventy. Asa natao ny […]




