Toe-karena

Mpivarotra eny Analakely sy ny manodidina : matiantoka vokatry ny toe-draharaha politika

Potika ny fiharian’ireo mpandraharaha sy mpivarotra eny Analakely sy ny manodidina noho ny toe-draharaha politika miseho amin’izao fotoana. Simba ny toekarena, mihena ny fidiram-bola. Velon-taraina ny ankamaroan’ireo mpivarotra eny Analakely noho ny hetsika, toe-draharaha, politika miseho amin’izao fotoana izao. Lasi­batra tanteraka ny toekarena ka tsy mampidi-bola na ireo mpandraharaha maro […]

Ida-Fiavota: 1 tapitrisa mahery ny afaka tamin’ny kere

Mahatratra 85 tapitrisa dolara ny famatsiam-bolan’ny Fikambanana iraisam-pire­nena ho an’ny fampandro­soana (Ida), tahirim-bolan’ny Banky iraisam-pirenena. Na­petraka ny fandaharanasa Fiavota, hiadiana amin’ny fahantrana sy ny kere any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy. Anisan’ny niaina ny mosary, tamin’ny taona 2016, i Vola­tsarasoa, 33 taona, monina any Malangy, distrika Ambo­vombe. Nambarany fa « tena mafy […]

Tetikasa « Pipeline Efaho »: Manomboka ny asa fanorenana

Manao ny ezaka rehetra ho an’ny fampandrosoana ny firenena ny governemanta, na eo aza ny fifidianana. Mitohy ny tetikasa “Pipeline Efaho”, fametrahana ny fan­tsombe avy amin’ny reniranon’Efaho any Taolagnaro hatrany Ambovombe. Vita ny antontan-taratsy mirakitra ny fanadihadiana teknika, sady nivoaka ny fahazoan-dalana ara-tontolo iainana. Natomboka, omaly 13 novambra, tany Esalo […]

Kaompania Flydubaï : fanokafana zotra mankany Moyen Orient

Vinavinan’ny fanjakana ny hisarihana mpizahatany miisa 1 000 000 ato anatin’ny dimy taona, izany hoe, amin’ny taona 2028. Tafiditra ao anatin’ny paikadin’ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro izany tanjona izany. Izay no nahatonga ny fihaonana tamin’ny tomponandraikitry ny kaompania ana ha­bakabaka avy any Dubai, Fly­dubaï, tamin’ny alalan’ny orinasa Ravinala Airport. Anisan’ny faritra […]

Vatovavy sy Fitovinany: tanora 11 000 nampiofanin’ ny Formaprod

Natao ny 10 novambra teo, tany Manakara ny tombana sy ny famaranana ny fandaharanasa Formaprod, ho an’ny faritra Vatovavy sy Fitovinany. Nanomboka ny taona 2017 ny fandaharanasa ho an’ireo faritra roa ireo. Niahy azy ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), vatsian’ny Fida, sampandraharaha ao amin’ny Banky iraisam-pirenena ho an’ny […]