Toe-karena

« Fampidiran-jiro mora »: tokantrano 195 000 misitraka herinaratra

Maro ny tokantrano an-tanàn-dehibe sy ambanivohitra tsy mbola manana herinaratra. Izany no mahatonga ny minisiteran’ny Angovo sy ny Jirama, manao ny tetikasa « fampidiran-jiro mora ». Natao tamin’ny taona 2021 ny fandaharanasa «fampidiran-jiro mora», tohana avy amin’ny Banky iraisam-pirenena ho an’i Madagasikara. Tanjona ny ahazoan’ny rehetra herinaratra isan-tokantrano. Manatanteraka azy ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo, sy ny orinasa […]

Tandavanala CAZ sy Cofav : fiarovana ny ala sy fampidiram-bola ny tantsaha

Natao, omaly, teto Antana­narivo ny tatitry ny zava-bita tao anatin’ny enim-bolana (janoary-jona) ho an’ny taona 2023, ao anatin’ny tetikasa « Tontolo voajanahary lovainjafy ny ilany atsinanan’i Mada­gasikara ». Raha ny lafiny ara-bola, ny 32% amin’ny nofaritana ho an’ny tetibola 2023 no efa nampiasaina, mahatratra 9,056 miliara Ar. Raha ny vi­navina ho an’ny enim-bolana faharoa […]

Arivonimamo : nahazo milina hanodinam-bokatra

Mitohy hatrany ny taninketsa indostrialy hoentina mampiroborobo ny famokarana manerana ny distrika eto Madaga­sikara. Napetraka ao Arivonimamo, ny alakamisy teo, ny milina indostrialy hanodinana ny mananasy ho lasa ranom-boankazo sy milina mamokatra paty. Hamokatra ranomboankazo 2 000 hatramin’ny 3 000 isan’ora ny milina noho izy hanodina mananasy 1t mba hahazoana […]

« Forum national des entrepreneurs »: hanome tohana sy tantsoroka ho an’ny mpandraharaha

Hifampizara paikady sy traikefa ary ireo zava-niainany ao anatin’ny tontolon’ny fandraharahana ireo zokiny mpandraharaha mandritra ny « Forum national des entrepreneurs » amin’ny herinandro. Fotoan-dehibe hampivondronana ireo mpandraharaha samihafa ny « Fo­rum national des entrepreneurs », andiany faha-5, atao ny 17 sy 18 novambra izao. Lohahevitra noraisina ta­min’ity ny fanomezana traikefa sy paikady ho […]

Fanabeazana : nisitraka EPP vaovao ny mpianatra any Ambohitsimeloka

Notokanana, afakomaly, ny Sekoly fanabeazana fototra (EPP) iray any Ambo­hi­tsi­me­loka. Nohavaozina io toeram-pianarana iray io, rehefa ela tsy nisy nijery, raha ny tatitra voaray teo anivon’ny tomponandraikitra. Tontosa izany noho ny fiaraha-miasa teo amin’ny mpiara-miombon’ antoka telo samihafa. Ny Wed­nesday Morning Group (WMG) sy ny Fondation BOA ary ny Rotary Club Anko­ron­drano izany. Nahafahana […]