Toe-karena

Zoma.mg : tsena niomerika vaovao omen’ny Telma

Manamafy ny fahavononany hanatsara ny tolotra ho an’ny mpanjifany ny Telma. Anisan’izany ny fiaraha-miasany sy ny Zoma.mg, nomena ny lohahevitra «Black No­vember». Ahitana ny tolotra samihafa mivantana amin’ny alalan’ny tsena niomerika «Marketplace Zoma.mg». Tanjona ny hanatsarana sy hanakaikezana hatrany ny mpanjifa, tsy andaniana fotoana sy ny fivezivezena. Hita ao anatin’ny […]

Fampiroboroboana ny jono : miara-miasa ny MPEB sy ny WWF

Vita omaly, teny Ampandrianomby, ny fifanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga sy ny WWF ho fampiroboroboana ny jono madinika. Hetsika ho fanohizana ny ezaka ataon’ny minisitera amin’ny fanakalozana sy ny fanangonana ireo antontanisa marina miainga avy eny ifotony mahakasika ny jono madinika eto Madagasikara. Nanao izany […]

Fampiroboroboana ny fizahantany : mandray anjara amin’ny “Salon WTM” i Madagasikara

Sehatra iray anisan’ny miantoka ny fampandrosoana ny firenena ny fampiroboroboana ny fizahantany. Mandray anjara amin’ny “word travel market” atao any Londres i Madagasikara, amin’ny alalan’ny Ofisim-paritry ny fizahantany ao Nosy Be. Andro fahatelo sady farany amin’ny “Salon Word travel market (WTM) London 2023” any Excel, anio. Anisan’ny mandray anjara amin’ity […]

Ambohidratrimo: tafatsangana ny fikambanana Zam

Fikambanana miahy ny sosialim-bahoaka ny fikambanana Zam eny Ambohidratrimo. Anisan’izany ny fanampiany ny Akany Avoko, manabe ny ankizy. Tafatsangana ny fikambanana Zanaka Ambohi­dratrimo Marovatana (Zam), ahitana vondrona sa­mihafa any Ambohidratrimo Marovatana. Anisan’izany ny fikambanana miaro ny tontolo iainana, ny ara-panatanjahantena, ny vehivavy, ny sampana avy amin’ny fiangonana maro, sns. Miparitaka any […]

Haitao ara-kajy mirindra: hampiroborobo ny famokarana

Hiara-hiasa ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana, ny Airtel Madagascar ary ny ONG “Agence de développement inclusif et durable”(ADID), hanatanteraka ny tetikasa « territoire agricole durable » (TAD), entina hampiroboroboana ny famokarana eto Madagasikara. Tanjona ny hisian’ny fandrosoana ma­haritra ho lovain’ny taranaka amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana. Eo ihany koa ny hampiharana […]