Tafiditra anatin’ny vanim-potoana mampitombo ireo lomotra misy poizina, izay sakafo fihinan’ny fano na ireo sokatra an-dranomasina isika izao. Manomboka ny volana oktobra ka hatramin’ny volana marsa izany. Lomotra (dinoflagelles) fihinan’ny fano tanora izy ity izay voatahiry rehefa lehibe ka mampisy poizina ny nofony. Antony mahatonga ny fahafatesana rehefa mihinana ity sokatra an-dranomasina […]
Toe-karena
Tao anatin’ny valo volana : Nilanja 329 188 t ny vary nafarantsika
Nahatratra 329 188 t ny vary nafarantsika nandritra ny valo volana voalohan’ity taona ity. Nihena izany raha toa ka tafakatra hatrany amin’ny 514 050t tamin’ny taon-dasa nandritra ireo vanim-potoana ireo. Izany hoe fihenana manodidina ny 184 862t, araka ny tatitra navoakan’ny observatoire du riz (ODR). Tsara ny voka-bary teto an-toerana ny taona […]
Madagascar Airlines: mitsangana ny drafi-panarenana « Phoenix 2030 »
Tafatsangana ny drafi-panarenana ny orinasa Madagascar Airlines manoloana ny olana goavana sedrainy sy ny fatiantoka aman-tapitrisa maro eo anivon’ny kaompania. Nofoanana avokoa ny sidina iraisam-pirenena sahanin’ny Madagascar Airlines noho ny tsy fahafahany hiantoka ny zotra sy ny olana samihafa sedrain’ ny kaompania. Manoloana izany natsangana ny drafi-panarenana ny orinasa, « Phoenix 2030 » iandrasana fankatoavana amin’ny tomponandraikitra. Tanjona ny […]
Orinasa Smmec: masoivoho fahafito ny eny Anosimasina Itaosy
Miezaka manakaiky ny mpikambana hatrany ny orinasa Smmec. Misokatra ny masoivoho vaovao, fahafito, eny Anosimasina Itaosy, mitondra ny anarana hoe « masoivoho Smmec Fanavotana ». Misahana ny mpikambana eny Itaosy, Ampitatafika, Imerintsiatosika, Tanjombato, Andoharanofotsy ary Alasora. Toy ny any amin’ny masoivoho manerana ny Nosy, azo sitrahana ao amin’ny Smmec Fanavotana ny tolotra rehetra, toy […]
Banky iraisam-pirenena: hiantraika any amin’ny solika sy ny sakafo ny ady any Moyen Orient
Namoaka tatitra ny Banky iraisam-pirenena fa hiteraka krizy ara-toekarena goavana amin’ny lafiny sakafo sy ny angovo ny ady any Moyen Orient, ifanaovan’i Israely sy i Palestinina. Hanampy trotraka ny ady eo amin’i Rosia sy Ukraine ny ady eo amin’ny israeliana sy ny palestiniana. Araka ny fanadihadiana nataon’ny Commodity Markets Outlook, […]




