Toe-karena

Toekarena aty Afrika: mpiara-miombon’antoka voalohany i Sina

Firenen-dehibe manana ny toerany aty Afrika i Sina. Anisan’ny tena mampisongadina azy ny fananganana fotodrafitrasa goavana, amin’ny fanorenana sy ny asa vaventy (BTP). Araka ny tatitra nataon’ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI), ny 10 oktobra 2023 teo, miroborobo ny fifandraisana ara-toekarena eo amin’ireo firenena aty amin’ny tapany atsimon’i Sa­hara sy i Sina, […]

Fampiroboroboana ny fizahantany : hiara-hiasa i Rwanda sy i Madagasikara

Vita sonia, ny talata teo, ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Rwanda Tourism Chamber (RCOT) sy ny confédération du tourisme de Madagascar (CTM) ho an’ny fampiroboroboana ny fizahantany amin’ny firenena roa tonta. Vokatra azo tamin’ny alalan’ny hetsika ara-toekarena “Business forum Rwanda-Madagascar” nokarakarain’ny Economic Development Board of Madagascar (EDBM) sy ny Rwanda Development Board (RDB) izay tohanan’ny tetikasa PIC Madagascar, ny volana […]

Fifandraisan-davitra : nivoaka ny 037 an’i Orange Madagascar

Hitombo ny laharam-pifandraisana eo anivon’i Orange Madagascar. Azo jifaina eny amin’ny botika orange, manomboka ny talata 7 novambra izao, ny laharana 037 izay manamafy ny 032. Mitovy amin’ny tolotra sy ny fampiasana ary ny tombontsoa azo hatramin’izay tamin’ny laharana 032 ny 037. Porofo izao fa mifampitohy ny fifandraisan-davitra. Tsy nitsahatra […]

62 taona ny Holafitra : vitsy anisa ny mpahay kaontim-bola

Miisa 170 ireo mpahay kaontim-bola am-perinasa. Manampy ny orinasa sy ny mpitantana amin’ny fitanam-bola ary ny fitsirihana izany, izy ireo. “Vitsy anisa saingy afaka mi­sahana ny asa misy eto an-toerana ny mpahay kaontim-bola”, hoy ny filohan’ny Holafitry ny mpahay kaontim-bola, Andriamisa Ravelomanana, tetsy Andohatapenaka, omaly. Maro anefa ireo manao io […]

Fotodrafitrasa: harenina ny lalana Anosizato mianatsimo

Mampifandray ny lalam- pirenena RN1 sy ny RN7 ny eo Anosizato, mianatsimo, mandalo Ampanefa Ankadivoribe, Antanetikely. Harenina ity lalana, mirefy 18 km, ity, ary ho vita ao anatin’ny enim-bolana. Nanomboka tamin’ny fomba ofisialy, omaly 2 novambra 2023, ny asa fanamboarana ny lalana rezionaly eto amin’ny faritra Ana­lamanga (RR-ALG-1), miainga eo Anosizato-sampanan-dalana […]