Nifarana ny 30 septambra teo ny fotoam-piasana, tao anatin’ny enim-bolana farany, ho an’ny vondron’orinasa Airtel Afrika. Any Nizeria ny foiben’ny vondrona. Sandam-bola ampiasaina ny Naira, ka tsy maintsy nahomby ny vokatra amin’ny ankapobeny, satria nitombo 9,7% ny isan’ny mpanjifa, manome 147,7 tapitrisa. Nitombo ny tolotra sy ny vola nokirakiraina, ka […]
Toe-karena
Fampandrosoana ara-bola : mampiroborobo ny tahirim-bola ny Smmec
Natokana ho Andro iraisam-pirenena ho an’ny Tahirim-bola ny 31 okrobra. Tanjona ny hampandrosoana ny fampiasam-bola, hampiroboroboana ny seha-piharian’ny sokajin’olona samihafa. Anisan’ny nankalaza izany ny Orinasa iombonana ho an’ny fitahirizam-bola sy ny fampindramam-bola (Smmec). Andro iraisam-pirenena ho an’ny Tahirim-bola ny 31 oktobra teo. Anisan’ny nankalaza izany ny orinasa iombonana ho an’ny […]
Voaaro ny ala: miroborobo ny fiompiana tantely sy trondro
Mirona miompy tantely sy trondro ny tantsaha. Fihariana mora atao, nefa tena mampidi-bola. Randrianoavy François, filohan’ny fikambanan’ny mpiompy tantely, pasitera: Miisa 6 ny tranon-tanteliko tany am-boalohany, ary niampy 12 hafa. Indroa mandrava tantely isan-taona, fa efa intelo nanomboka ny taona 2023. Nahazo tantely 35- 40 kg ny taona 2021, nitombo […]
Sekoly maitso: fitaratra ny any Anevoka Maromizaha
Isan’ny sokajiana sekoly maitso, fitaratra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ny EPP Anevoka any Maromizaha. Misy ny fandaharam-pianarana manokana ianaran’ny mpianatra, isaky ny alarobia. Nambaran’i Madame Léa, mpampianatra, fa ampahafantarina azy ireo ny fisian’ny ala voajanaharin’i Maromizaha, ny lanjan’ny zavamananaina. Nefa koa misy ny tsindry mahazo azy, ka mila arovana. […]
Fihariana vaovao: Vehivavy mpahandro
Ramatoa Voahangy, mpahandro: Anisan’ireo ray aman-dreny nisitraka fanafody maimaimpoana nozarain’ny Gerp aho. Tratry ny bilariziaozy ny zanako tamin’ny 2015, satria naloto ny rano. Niantohan’izy ireo ny fitsaboana ny zanako, nentina tany amin’ny CSB II Andasibe. Misitraka ny tohana amin’ny fambolena izahay, toy ny teknikam-pambolena, ny fizarana masomboly (tsaramaso, voanjo,…). Ao […]




