Mavitrika ny fikambanam-behivavy amin’ny fambolena afaka miatrika ny fiovan’ny toetr’andro any amin’ny kaominina Morarano Gara, distrika Moramanga. Toy ny fikambanana Fanambinana, any Ambodivohitra Androfia. Anisan’ny Tantsaha mpampiofana (PF), any Androfia Morarano Gara, i Valerie Bienvenue. Manana tanimboly fitaratra na «vala tahaka», mampihatra ny teknikam-pambolena afaka miatrika ny fiovan’ny toetr’andro, notohanan’ny […]
Toe-karena
VAOVAO TAMBATRA
Hiakatra eto an-dRenivohitra, manomboka ny 2 desambra, ireo fitaovana sy kojakoja handrafitra ny milina 105 MW ao Ambohimanambola. Hamerina amin’ny laoniny ny famokarana herinatra eo amin’ny tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA) ireo fitaovana ireo. Arahi-maso ihany koa ny asa maika natao hanamafisana ny tetezana miisa 13 eny amin’ny RN2 mba hitaterana haingana […]
« Food Ingredients Europe (FIE) » : nanandratra avo ny vokatra malagasy biolojika
Miavaka sy manana kalitao ny vokatra malagasy raha oharina amin’ireo firenen-kafa. Nilahatra tamin’ireo mpisehatra iraisam-pirenena eo amin’ny indostrian’ny akora ara-tsakafo biolojika sy natoraly maneran-tany i Madagasikara, mandritra ny hetsika «Food Ingredients Europe (FIE)», tany Francfort Alemaina, ny 19-21 novambra, ny vokatra malagasy biolojika. Nisolo tena antsika ireo orinasa miisa sivy […]
Moramanga : mamokatra menaka ny tantsaha
Anisan’ny manova sy hanatsara ny velon-tenany ny kaoperativa Hanitriniala, ahitana mpikambana miisa 74, any amin’ny kaominina Morarano Gara, distrika Moramanga. Mifototra amin’ny fanodinana ny voanjo ho lasa menaka fihinana ity kaoperativa ity. Nahazo tohana avy amin’ny Conservation international (CI) toy ny fiofanana ara-teknika sy ara-pitantanana, fitaovana sy milina fanodinana menaka […]
Fandraharahana : misokatra ny village SAE voalohany eto Madagasikara
Mizara ireo tosika ataony mandritra ny roa andro hampiroboroboana ny fandraharahana eto amintsika ireo rafitra mpanohana mpandraharaha avy eto an-toerana sy avy any ivelany. Hita mandritra ny roa andro, etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny fikambanan’ireo mpanohana ny fandraharahana, «Village des structures d’accompagnement d’entreprises» (SAE). Hetsika izay tafiditra ao anatin’ny […]