Hanomboka anio 9 hatramin’ny 13 oktobra 2023 ny fivoriambe fanao isan-taona eo amin’ny Banky iraisam-pirenena sy ny Tahirimbola iraisam-pirenena. Fihaonambe handinihina ny toekarena, ny asa, ny fiovan’ny toetr’andro, sns. Feno dia feno ny fandaharam-potoanan’ny Banky iraisam-pirenena (BM) sy ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI), mandritra ny fivoriambe faharoa, hatao any Marrakech Maraoka, […]
Toe-karena
Toam’ketrika : antoka ho an’ny fampandrosoana
Tratra ny tanjona tamin’ny fikarakarana ny hetsika “Toam’ ketrika” andiany fahefatra, tao Toamasina, ny herinandro teo. Maro ireo vokatra malagasy nampirantiana nandritra ny telo andro nanaovana ny foara. Miisa 135 ny mpandray anjara, tao ireo nampiranty ny famadihana ny vokatra lavanila izay nahazo tohana tamin’ ny alalan’ny Sampandraharaha Amerikana misahana […]
Atsimo Atsinanana : hamokatra kafe 11 t isan-taona
Hamerina indray ny kalitaon’ny kafe ao amin’ny distrikan’i Vangaindrano sy hampiakatra ny rojom-pihariana ary hanome lanja ny famokarana ka hampitombo ny taham-bokatra ao amin’ny faritra Atsimo Atsinanana. Ireo no tanjona napetraky ny fandaharanasa DEFIS izay vatsian’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena ho fampiroboroboana ny fambolena (FIDA) tamin’ny fanorenana ny toeram-panangonana sy mpanodina kafe […]
Banky iraisam-pirenena : hihena ho 2,5% ny fitomboan-karena aty Afrika amin’ity taona ity
Namoaka tatitra ny Banky iraisam-pirenena, ny 4 oktobra teo, fa manjavozavo ny vinavina fitomboan-karena aty Afrika amin’ity taona 2023 ity. Anisan’ny antony ny tsy fisian’ny toekarena marin-toerana, miampy ny zava-misy maneran-tany, miantraika aty Afrika. Taorian’ny tranga Covid-19, efa niarina kely ny toekarena aty Afrika, nahatratra 3,6% ny salanisan’ ny fitomboan-karena. […]
Airtel Afrika: manohana ny fanabeazana eto Madagasikara
Nanao lahateny ny tale jeneraly (DG) ny Airtel, ny Dr. Segun Ogunsanya, mifanandrify amin’ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny mpampianatra, omaly 5 oktobra. Nambarany fa misy rohy mifandray daholo ny ankizy, ny ray aman-dreny, ny mpanabe, ny fanjakana, ny mpanoratra boky ary ny mpikaroka mikasika ny niomerika, ankehitriny. Manana ny lanjany […]




