Toe-karena

Drakaka: tafakatra avo 10 heny ny tamberim-bidy

Niakatra avo 10 heny ny vola niditra amin’ny kitampom-bolam-panjakana tamin’ity taona ity mahakasika ny fanondrana drakaka. Tafakatra 1 500 000 000Ar izany raha toa ka 150 000 000 Ar isan-taona nandritra ny telo taona. Nahazoana izao vokatra izao ny fanasokajiana sy fanaraha-maso ny mpisehatra, omena fahazoan-dalana. Fepetra natao hitsinjovana ny kalitaon’ny drakaka […]

Tohodrano Ampahitrosy: lemaka 1 200 ha ho voajary

Napetraka, omaly 5 oktobra, ny vato fototra hanombohana ny fanarenana ny tohodrano any Ambatomainty, kaominina Ampahitrosy. Hamaha ny olan’ny tantsaha amin’ny famokarana ny fahavitany. Tantsaha ny 100%-n’ny mponina ao amin’ny kaominina Ampahitrosy, distrika Atsimondrano. Ao anatin’ny paikadin’ny fanjakana ny hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Hanom­boka ny fanarenana ny tohodrano eny Ambatomainty Ampahitrosy, hanondraka velarantany 1 200 ha. Miisa […]

Tale Ratonson Haridera : misy misoloky ho Polisin’ ny harena an-kibon’ny tany

Nitondra fanazavana ny talen’ny Polisy misahana ny harena an-kibon’ny tany, Ratonson Haridera, omaly. Voakasik’izany ny vaovao maromaro mahakasika ny sampandraharaha tantaniny. Anisan’izany ny tranga tany Port-Bergé, Tsiroanomandidy ary Tsaratanàna. Ho an’ny tany Port Bergé, nisy olona nitonona fa Polisin’ny harena an-kibon’ny tany, niditra tao amin’ny efitranon’ny hotely niantranoan’ny vahiny iray. […]

Iboaka : tafapetraka ny orinasa hanodina ronono 3 000 l

Anisan’ireo toerana 37 nisitraka ny orinasa madinika ny tanànan’Iboaka, faritra Matsiatra ambony, hanampiana ny tantsaha ao an-toerana sy hanatsarana ny fidiram-bolany. Hanodina ronono hatramin’ny 3 000 l isan’andro ity orinasa ity. Hividy ny ronono vokarin’ireo mpiompy izay tsy lafo izy mba hitazomana ny vidiny eny ifotony. Antony nametrahana izao fotodrafitrasa […]

Orinasa ETG any Toamasina : hamokatra zezika 36 000 t isan-taona

Mitsangana any Toamasina ny ozinina mpamokatra zezika, entina hampiakarana ny vokatry ny fambolena. Tanjona ny hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo eto Madagasikara. Notokanana ny 3 oktobra teo, ny ozinina mpamokatra zezika any Ana­lamalotra Toamasina. Tan­teraka izany vokatry ny fiaraha-miasan’ny orinasa ETG Inputs Madagasikara Sarl sy ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana […]