Manomboka anio ka hatramin’ny sabotsy izao ny « Herinandron’ny fampandrosoana lovainjafy », andiany voalohany, hatao etsy amin’ny Radisson Blu Ambodivona. Ny 15% amin’ny paikady nofaritana ho an’ny tanjon’ny fampandrosoana lovainjafy (ODD) ihany no mandeha araka ny tokony ho izy, araka ny tatitry ny Banky iraisam-pirenena. Mbola ireo ihany koa no mety ho […]
Toe-karena
Mpivarotra “jus fary”: mahalany fary 4 t mahery isam-bolana
Fihariana madinika sy mampidi-bola haingana ny varotra “jus fary”. Mahalany fary 50 kg isan’andro ny mpivarotra iray ary mahazo hatrany amin’ny 400 000Ar isan-kerinandro. Tsena anisan’ny niroborobo tao anatin’ny taona vitsy ny varotra “jus fary”. Asa mahasarika ny tanora noho izy mahavelona sy mampidi-bola haingana. “Manodidina ny 80 000Ar isan’andro […]
Vidim-bary: tafakatra 3 200 Ar ny kilaon’ny vary gasy
Niakatra 100 Ar ny kilaon’ny vary gasy, nanomboka ny faran’ny herinandro teo, eto an-drenivohitra. Tafakatra 3 200 Ar (900 ny kapoaka) ny kilaon’ny vary gasy Mangamila, raha 3 100 Ar ny kilao (850 Ar ny kapoaka) ny herinandro lasa. Niakatra ho 2 900 Ar ihany koa ny vary tsipala, raha […]
Vidin-tsolika: mety hahatratra 100 dolara ny barila
Nahatratra 91 dolara ny vidin’ny solika iray barila eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, omaly 2 oktobra. Tsy nitsaha-niakatra io vidiny io, satria mbola 72 dolara tamin’ny jolay 2023 teo. Araka ny fantatra eo amin’ny Tsenam-bola iraisam-pirenen’ny angovo (bourse), ny ICE (InterContinental Exchange), ho tafakatra 97,38 dolara ny barila ho an’ny solika […]
Telma: mitondra fivoarana goavana ny 5G
Nihazakazaka ny fivoaran’ny teknolojian’ny fifandraisan-davitra tato anatin’ny 44 taona. Efa tena avo lenta ny finday amin’izao fotoana, lasa ilaina amin’ny andavanandron’ny tsirairay. Mahasolo ny fakan-tsary, ny ordinatera hatramin’ny televiziona. Mahatratra 5 tapitrisa ny horonantsary hita any amin’ny You Tube, 67 000 ny sary alaina amin’ny Instagram isaky ny minitra maneran-tany. […]




