Firenena anisan’ny maharaka ny fivoaran’ny teknolojia sy ny tontolon’ny niomerika i Madagasikara. Ankehitriny, tonga eto an-toerana ny Orange 5G Lab, an’ny orinasa orange Madagascar. Nampahafantarina teny amin’ny Radisson Blu Ambodivona, omaly, ny momba ny 5G Lab. Fitaovana entina hanampiana ireo orinasa sy ireo mpiantsehatra rehetra eo amin’ny tontolon’ny niomerika hiomana […]
Toe-karena
Frantsa: fivoriana mikasika ny akora ambanin’ny tany
Natao tany Paris Frantsa, omaly 28 septambra, ny Fihaonambe an-tampony mikasika ny akora fototra ambanin’ny tany manan-danja sy ny angovo azo havaozina. Nanatrika ny fotoana ny mpisehatra isan-tsokajiny avy amin’ny firenena 50, toy ny firenena mpamokatra sy ny mpanjifa ny akora, ny mpitondra fanjakana, ny mpitarika orinasa, ny mpampiasa vola, […]
Fahavitan-tena ara-tsakafo : birao tokana ara-pambolena voalohany any Sakay
Sambany ! Notokanana, omaly 28 septambra, tany Sakay Tsiroanomandidy, faritra Bongolava, ny Birao tokana ara-pambolena eto Madagasikara. Antom-pisiany ny hanohanana ny lalam-pihariana rehetra eo amin’ny sehatry ny fambolena. Maromaro ny tolotra hita ao amin’ity birao tokana ara-pambolena any Sakay ity, toy ny tolotra mikasika ny fambolena sy ny fikarakarana antontan-taratasy […]
Fandaharanasa Rindra: fiara sy moto ho an’ny minisiteran’ny fambolena
Natolotra omaly 28 septambra, ny fiara sy moto ao anatin’ ny Fandaharanasa fanamafisana ny rafi-panjakana, hampiroboroboana ny fanatsarana ny fambolena (Rindra). Manohana ity fandaharanasa ity ny Vondrona eoropeanina (UE). Ahitana fiara 4×4 miisa 4, (karazany station wagon), 4×4 miisa 2 (SUV) ary moto miisa 16 ireo fanampiana ireo, hampiasain’ny Tantsoroka […]
FEPA : mila jerena ny paikadim-pamokarana
Fototra manome asa sy andry iankinan’ny toekarena ny famokarana eto Madagasikara. Maro ny ezaka vita saingy mbola betsaka ny tokony hatao hampiroboroboana ny seha-pihariana momba ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono. Ilaina ny paikadim-pamokarana ka manao antso avo amin’ny tomponandraikitra isan-tsokajiny ireo mpiantsehatra rehetra hamahana ny olan’ny tantsaha. […]




