Nampahafantarina ny zoma 29 septambra teo ireo mpanao gazety miisa enina voafantina, nanolotra tetikasa hanao fanadihadiana mahakasika ny tontolo iainana. Mizara sokajy telo izy ireo, ka roa avy, amin’ny teny malagasy sy teny frantsay, ho an’ny an-tsoratra, ho an’ny radio ary ny televiziona. Nikarakara ny fifaninanana ny Fikambanana ho an’ny […]
Toe-karena
Lemaka voatondraka, Beboka: hamoka-bary 6 300 t fanampiny isan-taona
Paikady mampitombo ny famokarana ny fanamboarana sy fanarenana lemaka. Tombanana hitombo hatrany amin’ny 6 300 t isan-taona ny voka-bary azo ao amin’ny lemaka voatondraka, Beboka. Misesisesy ny fanamboarana fotodrafitrasa samihafa hampiroboroboana ny famokarana mba hahatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo eto Madagasikara. Ankehitriny, vita ny 94% amin’ny tohodrano Beboka ao amin’ny distrikan’ Antsalova, faritra […]
Fandaharanasa Better Work : nodinihina ny hisian’ny asa mendrika
Natao ny 27 septambra teo, teto Antananarivo, ny atrikasa mikasika ny rohim-pamatsiana vokatra. Nandray anjara tao ny solontenan’ny minisitera voakasika, ny vondrona mpampiasa, ny sendika, ny mpiasa, ny mpitantana, ny mpianatry ny oniversite, sns. Nikarakara ny Better Work Madagasikara, fandaharanasan’ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny asa (OIT) sy ny Orinasa ara-bola […]
Fampandrosoana ny toekarena : omena tosika ny sehatrasa madinika
Betsaka ireo manampahaizana hita amin’ireo sehatra madinika sy tsy manara-dalàna. Miezaka mamorona sy manavao ny asa tanany izy ireo. «Tokony hampirisihina sy tohanana izy ireo mba hampandrosoana ny toekarena ho an’ny firenena », hoy ny akademisianina sy mpampianatra any amin’ny université de Kyoto, Dr Takahashi Motoki, nandritra ny fiofanana narahina velakevitra […]
Tsenan’ny lavanila: niakatra 280% ny varotra tao anatin’ny telo taona
Ambony ny tsenan’ny lavanila tao Andapa nandritra ny telo taona niaraha-niasa tamin’ny USAID. Nanatsara ny fidiram-bolan’ny mponina ny vokatra azo sady nahafahana niaro ny tontolo iainana. Tsara ny tsenan’ny lavanila tao Andapa tao anatin’ny telo taona. Tafakatra 280% ny varotra azon’ireo mpamokatra tohan’ny govenemanta amerikana tamin’alalan’ny Sampandraharaha amerikana misahana ny fampandrosoana […]




