Manomana sahady ny taom-pambolenkazo 2023-2024 ny orinasa Sumitomo. Manome masomboly sy kojakojan-janakazo ho an’ny VOI miisa efatra any amin’ny kaominina Ambohibary Moramanga izy ireo. Natolotra ny Vondrona olona ifotony (VOI) any amin’ny kaominina Ambohibary, distrika Moramanga, ny 27 septambra teo, ny fitaovana fikarakarana zanakazo sy ny fampisehoana ny fanamboarana fatana […]
Toe-karena
Tetikasa Picas1 : fampandrosoana ny fambolena any Androy sy Anosy
Miompana amin’ny fampiroboroboana ny fahavitan-tena ara-tsakafo, hiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro any amin’ny faritra Anosy sy Androy ny tetikasa “Picas”*, andiany voalohany. Famatsiam-bola avy amin’ ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad), mitentina 14,7 tapitrisa U.C**. Nanomboka tamin’ny jona 2023 ny fanatanterahana azy, ka anisan’izany ny fanajariana ny lemaka miisa enina, […]
Telma : mivelatra manerana ny Nosy ny tanjaka 5G
Navoakan’ny orinasa Telma Madagasikara, ny volana jona 2020, ny tanjaka 5G, voalohany aty Afrika. Fivoarana teknolojia miavaka, satria tambajotra tena matanjaka. Miara-miasa amin’ny marika Ericsson (orinasa Nasdaq : Eric) ny Telma amin’ny fametrahana ny tanjaka 5G, ho an’ny finday nohatsaraina (eMBB) ny voalohany, ary ny fitaovam-pifandraisan-davitra tsy mila tariby (FWA) ny […]
Salon international de l’habitat : hankalaza ny jobily volafotsy amin’ity taona ity
Hiavaka tanteraka ny fankalazana ny faha-25 taonan’ny hetsika « Salon international de l’habitat », hatao ny 19 ka hatramin’ny 22 oktobra izao. Hisy ny fihenam-bidy manokana hatolotr’ireo mpandray anjara. Hotontosaina ny 19 ka hatramin’ny 22 okotobra izao ny hetsika « Salon international de l’habitat » (SIH), izay hatao eny amin’ny Parcs des expos, Forello, […]
Fanaraha-maso ny zavamaniry : hiara-hiasa ny FAO sy ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana
Tetikasa hiompana amin’ ny fanaraha-maso ireo aretina mianjady amin’ny zavamaniry sy ny tontolo anaty ala izay tena anisan’ny mamotika ny tontolo iainana. Ireo no handrafitra ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana misahana ny fambolena sy ny famokarana (FAO) sy ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana. Natao ny alatsinainy teo […]




