«Ezaka maro avy amin’ny olona maro no nahatrarana izao faha-33 taona izao sy ny fahombiazana rehetra, tao anatin’izany » hoy Ravatomanga Mamy. Mbola maro ny ezaka hitohizan’ny fahombiazana ho tombotsoan’ny Malagasy. Tontosa omaly, teny amin’ ny Lapan’ny Kolontsaina sy Fanatanjahantena Mahamasina, ny lanonana fankalazana ny faha-33 taonan’ny Vondrona Sodiat. Hetsika maro […]
Toe-karena
Rotary Club Antananarivo Vovonana : mpianatry ny EPP Volavy miisa 100 nahazo fitaovam-pianarana
Nanolotra fitaovam-pianarana ho an’ny mpianatry ny EPP Volavy Gara eny Manjakandriana ny fikambanana Rotary Club Antananarivo (RCA) Vovonana. Nanatanteraka izany ny filohany, Randrianarisoa Malalatiana, niaraka tamin’ny mpikambana vitsivitsy, toa an-dRaketamanga Lalao, efa filoha teo aloha. Niisa 100 ny ankizy nisitraka ny fanampiana, ka ao amin’ny kilasy T5 izay hanala fanadinana […]
Fiatrehana ny maitsoahitra : azo antoka ny famatsiam-bary
Mijery sahady ny vanim-potoana hiatrehana ny maitsoahitra sy hisorohana ny olan’ny famatsiam-bary ny tomponandraikitra isan-tsokajiny. Mbola mitohy ihany koa ny fiarahan’ny fanjakana malagasy amin’ny orinasa State Procurement of Madagascar (SPM) amin’ny fitehirizana ireo vary nafarana tonga eto amintsika. Ankoatra ny vary 15 950 t tonga tao Toliara, ny tapa-bolana lasa izay. […]
Tetikasa Aintsoa : tokantrano 800 hivoatra ara-pambolena
Anisan’ny paikady hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo eto Antananarivo ny fambolena an- drenivohitra. Mandray anjara amin’izany ny ataon’ny ONG Gret ao anatin’ny tetikasa « Aintsoa », vatsian’ny Antokon-draharaha frantsay ho an’ny fampandrosoana, AFD, ara-bola. Natolotra omaly zoma 22 septambra ny fitaovana sy kojakoja ara-pambolena maro ho an’ny mpamokatra eto an-tanàn-dehibe, toy ny moto, […]
Fandaharanasa Sunref : Entanina ny orinasa hifantoka amin’ny tontolo iainana
Fandaharanasa manome sy mampirisika ny orinasa tsy miankina hamorona tetikasa mifantoka amin’ny tontolo iainana ny Sunref. Misy ny tantsoroka hatao azy ireny amin’ny lafiny findramam-bola hanamorana ny fanatanterahana ny tetikasany. Natao teto Antananarivo ny 21 septambra teo ny atrikasa ao anatin’ny fandaharanasa Sunref. Mamolavola azy ny Antokon-draharaha frantsay ho an’ny […]




