Tafiditra ao anatin’ny politikam-panjakana ny fandrindrana ny fampiasana ranomasina, hiadina amin’ny fanararaotana ny harena an-dranomasina sy ny fivezivezena tsy ara-dalàna eto amintsika, izay mahatonga loza samihafa. Hapetraka ny drafi-panajariana ny fari-dranomasina manerana ny Nosy, handrindrana ny fihariana isan-tsokajiny mifandraika amin’izany. Tetikasa iarahana amin’ireo mpisehatra an-dranomasina samihafa. Hampitomboina, manaraka izay, ireo […]
Toe-karena
Tetikasa Produir : trano vaovao 29 ahitana fonenana 87 haorina eny Andavamamba
Napetraka, omaly 26 septambra, ny vato fototra voalohany fanorenana tanàna vaovao eny amin’ny fokontany Andavamamba. Miisa 29 ny trano haorina, ahitana fonenana 87, ho an’ny fianakaviana sahirana sy marefo.. Mizara roa lehibe ny tetikasa Produir eto Antananarivo, vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena vola. Voalohany, ny fanatsarana ny fari-piainan’ny mponina marefo sady sahirana […]
FIA 2023 : tratra ny tanjona, nihoatra ny 18 000 ny mpitsidika
Samy afa-po na ireo mpandray anjara na ireo mpitsidika ny tsenabe iraisam-pirenena momba ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono (FIA), natao teny amin’ny Parcs des expos, Forello, Tanjombato, ny alakamisy ka hatramin’ny alahady teo. “Tratra ny tanjona, nihoatra ny 18 000 ireo tonga nitsidika teny an-toerana nandritra ny efatr’andro […]
Ankazobe: Karatany 12 000 sy bokin-tany 282 nozaraina
Mitohy hatrany ny hetsika karatany faobe ataon’ny fitondram-panjakana manerana ny Nosy. Nahazo ny anjarany ny ao amin’ny faritra Ankazobe, omaly. Hetsika notarihin’ny minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny fananan-tany sy ny tetikasa “CASEF”. Karatany miisa 12 000 no nozaraina tany an-toerana vokatry ny hetsika karatany faobe (opération de certification foncière massive […]
FCCIM: nandray ny fitantanana ny filoha vaovao
Hitondra sy hitantana ny federasion’ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria eto Madagasikara (FCCIM) ny filoha vaovao, Laou Pou Wilfrid. Nafindran’ny filoha teo aloha, Viviane Dewa tamin’ny mpandimby azy Laou Pou Wilfrid ny fitantanana ny federasionan’ny Antenimieran’ny varotra sy indostria eto Madagasikara. Hetsika natao tetsy amin’ny biraon’ny FCCIM Antanimena, ny zoma […]




