Toe-karena

Fary sy siramamy: ambany ny taham-pamokarana eto Madagasikara

Mifampiankina amin’ny fambolena fary ny famokarana siramamy eto amintsika. Seha-pihariana mbola malalaka sy azo itadiavana lalam-barotra ary ahitam-bokatra maro ny siramamy. Mbola ambany ny taham-pamokarana siramamy eto amintsika noho ireo fepetra maro samihafa takina amin’ny fambolena fary sy ny famokarana, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny serasera ao amin’ny foibe malagasy […]

Kolonely Damasy Gervais: laharam-pahamehan’ny ACM ny antoka sy ny aroloza

Voatendry ho tale jeneraly (DG) ny Antokon-draharaha mi­­sahana ny fitaterana ana habakabaka ho an’ny sivily (ACM), ny kolonely Damasy Gervais, ny volana febroary 2023 teo. Nambarany fa tao anatin’izay enim-bolana izay, anisan’ny fa­namby napetraka ny hanaovana laharam-pahamehana ny fa­metrahana antoka ny fitaterana ana habakabaka, miampy ny fanatsarana ny aroloza. Eo […]

Tetikasa Efaho: Tonga ny fantsombe hitatitra ny rano avy any Taolagnaro hatrany Ambovombe

Miisa 1 000 ny andiany voalohany amin’ny fantsombe ilaina amin’ny famatsian-drano avy amin’ny reniranon’i Efaho any Taolagnaro. Mirefy 97 km ny fitambarany hatrany Ambovombe, hamahana ny olan’ny tsy fisian-drano any atsimo. Mandeha ny asa fanamboarana ny fantson-drano miainga any Taolagnaro hatrany Ambovombe, ao anatin’ny tetikasa “Pipeline Efaho”. Nigadona ao amin’ny […]

Fiovan’ny toetr’andro: mila 2,8 miliara dolara i Afrika

Manaitra ny rehetra ny Banky iraisam-pirenena fa tena maika ny fikarohana vahaolana aty Afrika mano­loana ny fiovan’ny toetr’andro. Notateriny fa raha ny tombana nataon’ny Bad, mila vola 2,8 miliara dolara i Afrika hama­tsiana ny fiatrehana ny fiovan’ ny toetr’andro, ho an’ny taona 2020 hatramin’ny 2030. Tsy mahazo afa-tsy ny 3%-n’ny […]

Mpandraharaha madinika: mivoatra ny fanodinana tantely

Misehatra amin’ny fanodinana ny akora voajanahary eto an-toerana, manodina ny tantely ny orinasa Iloo. Niforona tamin’ny taona 2019, orinasa madinika mifantoka amin’ny akora tantely. Maro ny vokatra sy ny tolotra omeny ary tan­jony ny hanomezana vokatra mifanandrify amin’ny filan’ny mpan­jifa. Anisan’izany ny tantely atao anaty boaty na tavoahangy, sns. Anisan’ny […]