Toe-karena

E-Ariary: Vola malagasy niomerika amin’ny endriny vaovao

Hanamora ny fampiasam-bola niomerika, natao ho an’ny rehetra ary amin’ny sandany mora kokoa ny fanavao­zana entin’ny Banky foiben’i Madaga­sikara momba ny rafitra ara-bola. Vahaolana amin’ ny fi­lana andavanandron’ ny mponina izy io ary mampihena ny fikirakirana vola. Nosokafan’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM) tamin’ny fomba ofisialy, tetsy amin’ny Lapan’ ny tanànan’Antananarivo, […]

VAOVAO TAMBATRA

Hamokatra rano 4 800m3 fanampiny isan’andro ny “groupe de secours” hapetraka ao Nosy Be. Tanjona ny hamenoana ny tsy fahampiana 1 600m3 isan’andro ao an-toerana. Himasoana ihany koa ny fa­noloana ireo paompy sy kojakoja efa simba. Ha­vaozina ny rafitry ny famatsian-drano hanatsarana ny famokarana ao amin’ity nosy manitra ity. Tanterahana […]

DG Zafivanona Lainkana : Fitaovana mahomby ny « Intelligence Artificielle »

Natao ny 12 sy ny 13 mey teo ny fihaonambe iraisam-pirenena, «Forum Innovate the Future 2025». Notonto­saina tany Dubai, Emirats Arabe Unis (EAU) nokarakarain’ny orinasa Webb Fontai­ne, miompana tamin’ny fikarohana mahakasika ny varotra iraisam-pirenena. Fotoana nihaonan’ny mpanapa-kevitra amin’ny ladoany sy ny seranan-tsambo aty amin’ny kaontinanta afrikanina. Nodinihina ny lanjan’ny teknolojia […]

FIM 2025: Fahombiazana ny hetsika, vina ho an’i Afrika

Fahombiazana lehibe ny setriny ho an’ny andiany faha-19 amin’ny Foire internationale de Madagascar (Fim), notanterahina teny amin’ny Centre de Conférences International Ivato, ny 22 hatramin’ny 25 mey lasa teo. Ho an’ny MadaVision, mpikarakara ny hetsika, nametraka aina vao ny « Fim 2025 ». Mihoatra ny 250 ireo mpandray anjara tamin’ity andiany ity, […]