Mandray anjara amin’ny fivoriambe iraisam-pirenena manoloana ny fiovan’ny toetr’ andro, Cop 28, any Dubaï ny vondrona Airtel Africa plc. Nohamafisin’ny tale jeneraly (DG), Segun Ogunsanya, ny 6 desambra teo, fa zava-dehibe ny fisian’ny paikady manome lanja ny fampandrosoana maharitra sy ny mahakasika ny toetr’andro iarahana amin’ny sehatra tsy miankina aty […]
Toe-karena
Fahitalavitra : namoaka « décodeur connecté » ny Canal+
Tonga eto Madagasikara ny « décodeur connecté », hiaka farany amin’ny tolotra omen’ny Canal+ Madagascar ho an’ny mpanjifa. Miavaka ny « décodeur » na eo amin’ny kalitaon’ny sary (4K) sy ny safidy samihafa omeny. Manana « double réception », izany hoe, azo avy amin’ny zanabolana (satellite) sy ny Internet ny […]
Fanarenana ny Madagascar Airlines : hampindram-bola 20 tapitrisa dolara ny Banky iraisam-pirenena
Hisitraka fanampiana mitentina 20 tapitrisa dolara avy amin’ny Banky iraisam-pirenena ny Madagascar Airlines ho fanarenana ny kaompania. Anatin’ny fanarenana tanteraka ny Madagascar Airlines ankehitriny. Noho izany “miato avokoa ny sidina ataony”, hoy ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, Ramonjavelo Valery, nandritra ny fampirantiana ny tantaran’ny rafi-pitantanan’ny fiaramanidina […]
Fitaterana an-dalamby : hiverina ny zotra Antananarivo-Antsirabe
Hampivoatra sy hampiroborobo ny toekarena ny fiverenan’ny zotra an-dalamby mampifandray an’Antananarivo sy Antsirabe rehefa niato nandritra ny efa-taona. Hiverina amin’ny laoniny indray ny zotra an-dalamby mampitohy an’Antananarivo sy Antsirabe (TA) rehefa niato nandritra ny efa-taona. Nanamafy ny Madarail fa niverina nanomboka ny sabotsy teo ny fivezivezen’ny lamasina amin’ ireo toerana […]
Antontam-baovao niomerika : nitsangana ny orinasa Nxtra Africa
Nampahafantarin’ny Airtel Africa, ny 5 desambra teo, ny « Nxtra by Airtel ». Sampan’orinasa ao aminy, misahana ny fanangonana antontam-baovao niomerika sy informatika amin’ny fifandraisan-davitra. Mamaly ny filàn’ny mpanjifa ny fitsanganan’ny Nxtra Africa, izay tsy mitsaha-mitombo, ankehitriny. Tanjon’ny Nxtra Airtel ny hanangana tambajotram-pifandraisan-davitra lehibe indrindra aty Afrika. Hananganana azy ny tanàn-dehibe rehetra ahitana ny […]




