Hampiakatra ny fari-piainana ny fifanakalozana ara-barotra sy ny fampiasam-bola eo amin’i Madagasikara sy ny firenena amerikanina. Hiteraka asa maro ho an’ny Malagasy sy fidiram-bola ho an’ny tokantrano samihafa ny hetsika “One day, one country”, izay natao ny talata teo, tao amin’ny biraon’ny masoivohon’i Etazonia eny Andranomena. Nampivondrona manam-pahaizana avy amin’ny […]
Toe-karena
Fananantany : karatany 4.100 hozaraina ao Antanetibe Mahazaza
Mbola mitohy ny hetsika fizarana karatany ataon’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny fananantany. Omaly, nizara karatany tao amin’ny kaominina Antanetibe Mahazaza, distrikan’Ambohidratrimo, ny minisitera niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka Casef. Tanjona ny hizarana karatany 4.100 ho an’ireo tantsaha any an-toerana. “800.000 ny karatany voazara amin’izao izay niarahana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka samihafa. 80% […]
Minisitra Rabarinirinarison Rindra: « Vahaolana ny fampiroboroboana ny toekarena anatiny »
Mandray anjara amin’ny fivoriamben’ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad), atao any Egypta, ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanambola malagasy, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo. Naneho hevitra tao amin’ny gazety boky Ecofin ihany koa izy, nivoaka ny 30 mey teo. Tsy vaovao aminy ny fitantanana krizy, efa niasa 12 taona tao […]
Imianta : hampiroboroboana ny fampandrosoana
Saika mpandraharaha ara-toekarena avokoa ny ankamaroan’ny terak’Imady, avy any amin’ny kaominina Ambositra II, distrika Ambositra, faritra Amoron’i Mania. Ho an’ireo monina eto Antananarivo, mivondrona ao anatin’ny fikambanana Terak’Imady eto Antananarivo (Imianta), izy ireo. Nilaza ny filoha mpiara-mitantana ny fikambanana, Tahinjanahary David, fa misehatra amin’ny fandraharahana avokoa ny ankamaroan’ireo mpikambana eto […]
PoP MVola : masoivoho manokana eny Andraharo
Manakaiky hatrany ny mpanjifa ny MVola. Sambany, nisokatra nanomboka ny 26 mey teo, ny masoivoho manokana eny amin’ny tranobe Kube B Galaxy Andraharo, antsoina hoe PoP MVola. Ahitana ny tolotra rehetra ho an’ny olon-tsotra, ny orinasa, ny mpikirakira ny tolotra MVola, toy ny mpaninjara, ohatra, sns. Ho haingana kokoa ny […]




