Norombahin-dRamatoa Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo, minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanambola ny amboaran’ny « Minisitry ny Toekarena », nokarakarain’ny African Business Leadership Awards 2023. Miisa efatra ny firenena Afrikanina voasivana nanana solontena tamin’ity fifaninanana ity, ary ny teo anivon’ny kaontinanta Afrikanina manontolo no namaritra sy nifidy izay ho mpandresy. Anisan’izany ny minisitry ny […]
Toe-karena
Fotodrafitrasa : nahazo tsena mitafo i Ranomafana
Tranoheva maro samy manana ny habeny sy mandray karazam-barotra ary vokatra samihafa. Ireo ny hita ao anatin’ireo tsena mitafo miisa roa natolotr’Ambatovy ho an’ny kaominina ambanivohitr’i Ranomafana Atsinanana, ny zoma teo. Hanome toerana azo antoka amin’ny aroloza sady mahazaka mpivarotra 100 eo ho eo ireo tsena ireo. Etsy ankilany, tranoheva mitafo […]
Antsiranana-milina ENELEC nirehitra : nitondra vahaolana ny Jirama
Napetraka ao Antsiranana, omaly, ilay vata mpanova herinaratry ny orinasa Jirama hoentina hanoloana ilay milina an’ny ENELEC may afakomaly, tokony ho tamin’ny 8 ora alina. Tonga ao Antsiranana omaly, ny delegasiona tarihin’ny minisitry ny Angovo sy ny akoran’afo, Andriamanampisoa Solo, taorian’ny fahamaizana milina mpihary herinaratry ny ENELEC afakomaly. Fantatra fa hasolo […]
Lalana RN 2 : mila manaraka ny fenitra ny asa
Nanomboka ny zoma 26 mey teo, ny fanarenana ny ampahany amin’ny lalam-pirenena faharoa (RN 2). Mirefy 30 km ity andiany voalohany ity, izay anisan’ny tena ratsy, eo Manjakandriana (PK 48+720) hatreny Anjiro (PK 78+100), miampy ny tetezana eo amin’ny PK 117. Efa eny an-toerana ny fitaovana vaventy ampiasain’ny orinasa CHEC. […]
Sakafo andavanandro : ahiana mbola hiaka-bidy ny atody
Anisan’ny sakafo be mpividy sy maro mpihinana ny atody. Tato anatin’ny fotoana vitsy tsy nitsaha- niakatra anefa ny vidiny. Amin’izao 700Ar ny atody iray ary ahiana mbola hiakatra hatrany izany amin’izao vanim-potoan’ny fety izao. “Tsy nisy nanam-po mihitsy hoe ho lasa 700Ar ny vidin’ny atody raha tsy mba nandalo fiakarana […]




