Mipaka amin’isan-tokantrano ny fiakaran’ny vidin-entana eny an-tsena indrindra amin’ireo filana andavanandro. Ho sarotra ny fitantanam-bola amin’izao fidiran’ny mpianatra izao sy amin’ny fotoan’ny maitsoahitra. Mampikaikaika ny maro ny vidim-bary amin’izao. Tao anatin’ny fotoana vitsy, tsy mitsaha-misondrotra ny vidin’ny vary gasy, ny “stock” ary ny “riz de luxe”. Ankehitriny, mahatratra hatramin’ny 3 […]
Toe-karena
Fitantanana raharaham-panjakana: 105 mianadahy nivoaka teny amin’ny Enam
Niampy isa ny mpiasam-panjakana ambony. Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy, ny zoma 1 septambra teo, ny nisalotra ny anarana hoe “Mahitsi”, tao amin’ny Sekolim-pirenena manofana mpitantana raharaham-panjakana eto Madagasikara (Enam). Miisa 105 izy ireo, niofana nandritra ny roa taona (2021-2023), tamin’ny sampam-pianarana, fitantanana ny fizaram-paritra (administration territoriale), ny fitantanana raharaham-bahoaka (gestion […]
Ravinala Airports: toeram-pisakafoana « Mon Tana » eny Ivato
Nisokatra ny 22 aogositra teo ny trano fisakafoana vaovao « Mon Tana », ao anatin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato. Mitantana azy ny orinasa TAV Opération Service, tamin’ny alalan’ny antso tolobidy iraisam-pirenena. Tanteraka izany, vokatry ny fiaraha-miasa tamin’ny orinasa Ravinala Airports, mitantana ny seranan’Ivato.Nilaza ny filoha tale jeneraly (PDG) ny TAV Operation Service, Güçlü […]
Festival « samontabe »: mampifandray ny mpisehatra an-dranomasina
Manan-karena hetsika isan-karazany ny faritra Diana raha tsy hitanisa fotsiny afa-tsy ny festival « Donia », « Sômarôho » izay samy mampalaza an’i Nosy-Be. Ao koa ny festival « Sôrogno » mampiavaka an’Ambanja, ny hetsika « Mananjeba » ao Ambilobe ary ny hetsika « Vagnono » ao Anivorana- Antsiranana II. Notontosana tao Antsiranana, ny sabotsy teo, ny festival “Samontabe”, andiany […]
Volamena: misokatra ny fahazoan-dalana hanondrana any ivelany
Anisan’ny mampiodina ny toekarena malagasy ny fanondranana volamena sy ny fampodiana vola vahiny azo avy amin’izany. Misokatra ny fanondrana saingy misy ny fepetra tsy maintsy arahina. Nanambara ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika (MMRS), Rakotomalala Herindrainy Olivier, fa efa misokatra ny fangatahana fahazoan-dalana hanondrana any ivelany. […]





