Toe-karena

Harena an-dranomasin’i Madagasikara: mitentina hatrany amin’ny 300 tapitrisa dolara.

Anisan’ny miantoka ny fampandrosoana ny firenena ny fahaiza-mitantana sy mandrindra ny harena an-dranomasina, mamaly ny filan’ny mponina mipetraka amorontsiraka. Toekarena manga miantoka ny fandrosoana maharitra ny velaran-dranomasina midadasika. Tombony ho an’ny firenena malagasy ny fananany velaran-dranomasina midadasika. Harena azo trandrahina ho an’ny fampandrosoana ny toekaren’i Madagasikara izany. Tombanana ho 300 […]

Tontolo iainana: velaran-tany 62ha hambolena zanakazo 45 000

Hiara-hiasa ny BNI Madagascar sy ny tahirim-bola tsy miankina malagasy natokana ho an’ny fikolokoloana ny zava-mananaina eto Madagasikara (FAPBM) amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny ala ao  amin’ny faritra arovana ao Maromizaha, faritra Alaotra Mangoro, toerana izay tantanin’ny Vondron’asa sy fikarohana momba ny varika (GERP Madagascar). Nifanao sonia momba ny taratasy […]

Ambatovy : manohana ny tanora mpandraharaha

Anisan’ny manome tohana sy manampy ny tanora malagasy mpandraharaha ny orinasa Ambatovy. Misy ny fandaharanasa ataony entina hanampiana ny mpandraharaha ka nisy tamin’izy ireo no nandray anjara tamin’ny hetsika « FIER Mada 2023” farany teo. «Niroborobo tokoa ny orinasako hatramin’izay nisitrahako ny fandaharanasa fa­nampiana orinasa nomen’ Amba­tovy sy La Fabrique ahy […]

China-Madagasikara : tsy handoa haba ny 98% ny vokatra malagasy

Mihamafy orina ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy i China. Tombony ho an’ny mpandraharaha mpanondram-bokatra toy ny lavanila izany. Tsy handoa haban-tseranana hatramin’ny 98% ireo vokatra malagasy haondrana any China. Nisy ny fifanaovan-tsonia nataon’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, i Yvette Sylla, sy ny masoivohon’ity firenena ity, Guo Xiomei, tetsy amin’ny minisiteran’ny Rahara­ham-bahiny, Anosy, […]

« Foire internationale de l’agriculture » : hametraka birao tokan’ny fandraharahana ara-pambolena

Hampivondrona ireo mpiantsehatra samihafa ao anatin’ny tontolon’ny famokarana amina toerana iray ny hetsika “Foire internationale de l’agriculture”. Omena lanja manokana ny tantsaha ahafahany mampiroborobo ny vokatra ataony sy ny fiaraha-miasany amin’ny sehatra tsy miankina. Ambohipihaonan’ny fampandrosoana ny asa fa­mokarana ny hetsika “Foire internationale de l’agriculture” (FIA) andiany fahadimy. Hanome vahana […]