Vitsy ny isan’ny Malagasy teknisiana mikasika ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana. Nambaran’ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), Ramilison Harifidy, fa iray ny Malagasy teknisiana miasa ho an’ny tantsaha 4 000, raha tokony ho iray ho an’ny olona 500 ny fenitry ny Banky iraisam-pirenena. Soa fa mandroso […]
Toe-karena
Orinasa Sema Eau vive: nahazo jiro ny tananan’ Andranovelona
Mandray anjara feno amin’ny maha orinasa tompon’andraikitra azy eo amin’ny fiarahamonina (RSE) ny Sema Eau vive, eo ambany fiahian’ny Star. Notolorana jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro miisa valo ny fokontany Andranovelona, toerana iorenan’ny ozinina mamokatra rano fisotro amin’ny tavoahangy, Eau vive. Mazava daholo izao ny miditra sy mivoaka ny tanàna. […]
« Tetikasa PURPA »: tantsaha 126 200 hahazo tohana hana-pamokarana
Hipaka mivantana amin’ny mpamokatra maro manerana ny Nosy ny tetikasa “PURPA”. Betsaka ny tombontsoa azo tsapain-tanana mandritra ny roa taona hanatanterahana izany. Drafitrasa hanohanana ny tantsaha sy hampiroboroboina ny sehatry ny fambolena ny tetikasa “Projet d’urgence de renforcement de la production alimentaire”, (PURPA), izay hiasa eto Madagasikara mandritra ny roa […]
Fampandrosoana ny firenena : tokony homena sehatra ny Malagasy manampahaizana
“Ny tsy fanomezana sehatra ny Malagasy manampahaizana no antony iray tsy mampandroso an’i Madagasikara”, hoy ny mpahay toekarena, Rakoto David, nandritra ny varavarana misokatra teny amin’ny sekoly ambony tsy miankina, ESUM, Andavamamba, omaly. Nilaza izy fa disoana ny fiheverana fa tsy mahay ny Malagasy ka tsy maintsy miandry ny vahiny […]
Fanondranana volamena : miankina amin’ny saram-pitaterana ny sanda ara-bola
Miditra tsikelikely amin’ny fampidirana ny volamena eto Madagasikara ho azo aondrana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ny fanjakana. Fepetra telo no hamaritana ny sandan’ny volamena ara-bola. Voalohany, miankina amin’ny fahadiovan’ny volamena (manodidina ny 99,99%), araka ny fepetra takian’ny tsena iraisam-pirenena mifehy ny volamena, ny London Bullion market Association (LBMA). Faharoa, miankina […]





