Nampahafantarina ny 23 mey teo ny vovonana Tambatra, ao amin’ny Ivontoerana eoropeanina ho an’ny fiaraha-miasa sy ny fampandrosoana (IECD) eny Ambatoroka. Fiaraha-miasa amin’ny fikambanana Promes, manohana ny mpianatra manana bakalorea, sahirana amin’ny fianarana ambony ataony sy ny fianarana arakasa. Tafahaona nandritra io fotoana io, ny solontenan’ny orinasa eto Analamanga sy […]
Toe-karena
Toliara: Nodinihina ny zon’ny mpanjono madinika
Natao ny 23 sy 24 mey teo, tany Toliara, ny atrikasa fakan-kevitra mahakasika ny zo amin’ny ranomasina sy ny zon’ny mpanjono madinika. Nikarakara azy ny Afrifish Net sy ny Turning Tides, ho fanamafisana ny fahalalana sy ny fahaizan’ny mpanjono. Voakasik’izany koa ny vehivavy sy ny tanora monina amorontsiraka amin’ny zo […]
LR Group-SESA: Fambolena indostrialy amina 10 000 ha
Vita sonia ny 25 mey teo ny fiaraha-miasa eo amin’ny Sekreteram-panjakana misahana ny Fahaleovantena ara-tsakafo (Sesa), notarihin-dRazanamahefa Tahian’Ny Avo, sy ny orinasa israelianina LR Group, nosoloin’i Ami Lustig tena. Hapetraka ny ivontoeram-pambolena « Agropole », mirefy 5 000 ha, hambolena vary, sy 5 000 ha hafa hamokarana katsaka. Teknolojia mahaleo tena hiaka farany no […]
E-Ariary: Vola malagasy niomerika amin’ny endriny vaovao
Hanamora ny fampiasam-bola niomerika, natao ho an’ny rehetra ary amin’ny sandany mora kokoa ny fanavaozana entin’ny Banky foiben’i Madagasikara momba ny rafitra ara-bola. Vahaolana amin’ ny filana andavanandron’ ny mponina izy io ary mampihena ny fikirakirana vola. Nosokafan’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM) tamin’ny fomba ofisialy, tetsy amin’ny Lapan’ ny tanànan’Antananarivo, […]
VAOVAO TAMBATRA
Hamokatra rano 4 800m3 fanampiny isan’andro ny “groupe de secours” hapetraka ao Nosy Be. Tanjona ny hamenoana ny tsy fahampiana 1 600m3 isan’andro ao an-toerana. Himasoana ihany koa ny fanoloana ireo paompy sy kojakoja efa simba. Havaozina ny rafitry ny famatsian-drano hanatsarana ny famokarana ao amin’ity nosy manitra ity. Tanterahana […]