Anisan’ny sakafo mitondra otrikaina maro isan-karazany ny ronono. Mbola ambany anefa ny tahan’ny fanjifana izany eto Madagasikara. “Manodidina ny 16 litatra isan’olona, isan-taona izany, raha 40 litatra isan-taona, isan’ olona ho an’i Afrika ary 200 litatra isan’olona, isan-taona ny any Eoropa”, hoy ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana. Nankalazaina ny […]
Toe-karena
Fahatapahan-jiro lavareny : tsy ampy ny tahirin-tsolika mavesatra ao amin’ny Jirama
Miteraka fimenomenonan’ny olona ny delestazy lavareny ataon’ny Jirama. Simba ny asa rehetra mila herinaratra, indrindra ny fidiram-bolan’ny mpanjifa. Ora vitsy anatin’ny andro iray sisa no mahazo herinaratra ny mpanjifa. Tsy nisy kosa ny fahatapahan’ny herinaratra nandritra ny faran’ny herinandro sy ny fetin’ny Pantekoty lasa teo. Ankehitriny, miverina ny delestazy, mihamafy […]
Banky mankany amin’ny MVola : maimaimpoana ny fandefasam-bola
Tolotra vaovao ho an’ny mpanjifa. Maimaimpoana ny fandefasan’ny olon-tsotra vola avy any amin’ny banky mankany amin’ny kaonty MVola, nanomboka ny 1 jona 2023 teo. Etsy ankilany, nahena ho 1%-n’ny vola alefan’ny mpanjifa tsotra avy any amin’ny kaonty MVola mankany amin’ny kaonty banky, raha 2,5% no nalaina tany aloha. Ankoatra ireo, mahazo fihenana hatrany […]
Jica-MTP : fikojakojana ny lalana sy ny tetezana
Natao, omaly, ny atrikasa hanamafisana ny fahaiza-mitantana amin’ny fikojakojana ny lalana sy ny tetezana eto Madagasikara. Manohana azy ny Fiaraha-miasa ho an’ny fampandrosoana japoney (Jica). Nisolo tena ny minisitera, ny sekretera jeneraly (SG) ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP), Sambisolo Emile Joseph, ary ny avy amin’ny Jica, ny solontena maharitra eto […]
Zotran-dalamby « train voyageur »: niverina nanomboka omaly ny Dia tsara
Nisokatra nanomboka omaly ny zotran-dalamby mpitatitra olona miainga ao Moramanga mihazo an’i Toamasina. Nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ny minisitry ny Fitaterana sy famantarana ny toetr’andro, Ramonjavelo Valéry, niaraka tamin’ny Governoran’ny faritra Alaotra Mangoro, ny Governoran’ny faritra Atsinanana ary ireo tomponandraiki-panjakana isan-tsokajiny. Mandalo kaominina 22 ny Dia tsara, indrindra any amin’ireo toerana […]





