Tapaka nandritra ny filan-kevitry ny minisitra, ny 31 mey teo, fa hatonta any Turquie ny vola madinika 50 Ar hatao volamena. Voalaza fa “famoaham-bola vonjimaika ihany ity fepetra ity, fa haverina eto Madagasikara ny volamena rehefa vita ny fanontana azy », izay tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-50 taona ny Banky […]
Toe-karena
Tontolo ambanivohitra: hampiasaina amin’ny fambolena ny teknolojia niomerika
Mbola olana eny ifotony ny fahazoan-kevitra sy torolalana amin’ny sehatry ny famokarana isan-tsokajiny eny ambanivohitra, satria tsy ampy ny olona mpanapariaka azy any amin’ny tantsaha. Anisan’ny vahaolana ny fampiasana ny teknolojia niomerika. Fanoitra ho an’ny fampandrasoana ny sehatry ny famokarana eto amintsika ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra, na ny […]
AGOA : hampiroborobo ny fihariana maharitra
Hampiakatra ny fari-piainana ny fifanakalozana ara-barotra sy ny fampiasam-bola eo amin’i Madagasikara sy ny firenena amerikanina. Hiteraka asa maro ho an’ny Malagasy sy fidiram-bola ho an’ny tokantrano samihafa ny hetsika “One day, one country”, izay natao ny talata teo, tao amin’ny biraon’ny masoivohon’i Etazonia eny Andranomena. Nampivondrona manam-pahaizana avy amin’ny […]
Fananantany : karatany 4.100 hozaraina ao Antanetibe Mahazaza
Mbola mitohy ny hetsika fizarana karatany ataon’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny fananantany. Omaly, nizara karatany tao amin’ny kaominina Antanetibe Mahazaza, distrikan’Ambohidratrimo, ny minisitera niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka Casef. Tanjona ny hizarana karatany 4.100 ho an’ireo tantsaha any an-toerana. “800.000 ny karatany voazara amin’izao izay niarahana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka samihafa. 80% […]
Minisitra Rabarinirinarison Rindra: « Vahaolana ny fampiroboroboana ny toekarena anatiny »
Mandray anjara amin’ny fivoriamben’ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad), atao any Egypta, ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanambola malagasy, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo. Naneho hevitra tao amin’ny gazety boky Ecofin ihany koa izy, nivoaka ny 30 mey teo. Tsy vaovao aminy ny fitantanana krizy, efa niasa 12 taona tao […]





