Toe-karena

Pavillon Analakely : voafidy ho Filoha Atoa Rakotonirina Claude

Vita soa aman-tsara testy amin’ny Tranompokonolona Analakely ny fifidianana izay ho filohan’ny mpivarotra ao amin’ny Pavillon Analakely, omaly. Lany nandritra ny latsa-bato, Atoa Rakotonirina Claude. Nahazo vato 195 izy. 106 ho an-dRamatoa Saraha, kandidà nifaninana taminy. 309 no isan’ny mpifidy nadatsa-bato. Nisy telo no nanao vato fotsy. Dimy ny vato […]

Paikady Tany Meva 5 : mahatratra 1,5 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola

Voatendry ho tale mpanatanteraka (DE) hitantana ny fikambanana Fondation Tany Meva, Rasoanarivo Hariliva, mandimby an’i Fanohiza Claude. Anisan’ny vina ho­tanterahina ny paikady andiany fahadimy Tany Meva 5 ho an’ny taona 2023 hatramin’ny 2027. Ao anatin’izany ny famatsiam-bola ny tetikasa miisa 40 miompana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Mahatratra 1,5 tapitrisa […]

Fihariana : nisokatra omaly ny fotoam-panjonoana makamba

Natomboka omaly 1 marsa 2023 tany Mahajanga ny fisokafan’ny fotoam-panjonoana, vanim-potoana 2023. Natom­boka tamin’ny fomba ofisialy izany tamin’ny fampiasana ireo sambo mpanara-maso momba ny jono indostrialy. Manantena hahavita ny hihoatra ny vanim-potoana talohan’ izao ireo mpandrahara. Ny jono makamba no tena ifantohana, hamenoana ny volam-panjakana. Raha 2,075 miliara Ar ny […]

Simba ny tambajotra : nihamafy ny delestazy

Tapaka ny herinaratra, omaly tolakandro, ho an’ny Tambajotra iraisan’Antana­narivo (RIA). Antony, tsy tomombana ny tambajotra roa mahery vaika, mitondra ny herinaratra avy any Andeka­leka mankaty Antananarivo. Efa eo am-panarenana ny Jirama ary niverina tsikelikely ny famatsiana, ora maro taty aoriana. Tsikaritra tokoa tato ho ato, fa nihena ny delestazy teto […]