Ankalazaina anio 3 marsa ny Andro eran-tany ho an’ny biby sy ny zavamaniry. Fomba entina hiarovana azy ireny ny fametrahana ny Faritra arovana, izay efa miisa 123 eto Madagasikara. Niforona ny Vondrona firaisankinan’ireo mpisehatra amin’ny faritra arovana, hampahafantatra ny fahombiazany avy. An-taonany maro ny manam-pahaizana malagasy an’arivony avy amin’ny governemanta, […]
Toe-karena
Faritra Androy sy Atsimo Andrefana : mampitovy lanja sy zo ny lahy sy ny vavy ny tetikasa « Maharo »
Voizina sy tanterahina any amin’ny faritra Androy sy Atsimo Andrefana iny ny tetikasa « Maharo », tanterahin’ny CRS Madagascar ary vatsian’ ny USAID ara-bola. Mampiroborobo ny fitovian’ny fandraisan’andraikitra eo amin’ ny lehilahy sy ny vehivavy ao an-tokantrano ny tetikasa. Anisan’ny fomba fiasa amin’izany ny Miranjaka izay enti-mizara ny fanao tsara ho an’ny […]
Fokontany Ambanimaso : nisy nangalatra ny lisi-pifidianana tamin’ny 2011
Tsy very ny lisi-pifidianana vao nohavaozina ny volana oktobra 2022 lasa teo, tao amin’ ny biraom-pokontany Ambanimaso, kaominina Anosizato Andrefana. “Ireo lisi-pifidianana tamin’ny taona 2011 atao hoe lisitra vakiraoka no lasan’ny mpangalatra niaraka tamin’ireo entana sy fitaovana fampiasa tao”, hoy ny sefo fokontany ao Anosizato Ambanimaso, Raharimanana Emilienne raha nanontaniana […]
Ho fanatsarana ny rafitry ny fahasalamana : napetraka ny komity handrindra ny asa eny ifotony
Mbola maro ny olana momba ny fahasalamam-bahoaka mahakasika ny sokajin’olona rehetra. Mila fanavaozana ny rafitry ny fahasalamana mba hisitraka tolotra manana kalitao ny daholobe. Napetraka, omaly, teny Ankorondrano, ny komity hanatsara ny rafitry ny fahasalamana eto Madagasikara, iarahan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny mpanohana eo amin’ny lafiny vola sy teknika. Tanjona […]
Betroka Anosy : zanakazo 30.975 voavoly tamin’ny 40 ha
Nanatanteraka ny adidiny fambolen-kazo ny faritra Anosy, ny faran’ny herinandro teo, tany Andakana, distrika Betroka. Miisa 30.975 ny zanakazo voavoly tamin’ny velaran-tany 40 ha tamin’izany. Nandray anjara daholo ny tomponandraikitra samihafa any an-toerana, ny mpiasan’ny fitantanam-paritra isan-tsokajiny ao amin’ny distrika Betroka, ny mpitandro filaminana, indrindra ny fokonolona. Nentanina ny rehetra […]




