Toe-karena

Sehatra iray fihariana : hita ny fivoaran’ny jono indostrialy

Hatramin’ny 1967, efa nisy teto Madagasikara, in­drindra tany amin’ny tapany andrefana ireo karazana sambokely mpanjono makamba. Nandritra ny 40 taona mahery, nivoatra hatrany izany sehatry ny jono an-dranomasina izany tany avaratra sy avaratra andrefana. Ny vokatra ma­kam­ba, ohatra, namepetra ny lafiny toekarena sy ny lafiny ara-bola teto amin’ny firenena, raha […]

Faritra mando: ringana ny 25%-n’ny biby

Manana andraikitra lehibe amin’ny fiainan’ny olombelona sy ny biby ny faritra mando. Mamatsy ny rano sy ny sakafo, manadio ny rivotra, miaro ny tontolo mananaina, sns. Anisan’izany ny ala honko, toerana fonenan’ny makamba, ahitana 532 kilao isaky ny hekitara. Tandin­domin-doza ny faritra mando, ankehitriny. Araka ny antontanisa navoakan’ny fikambanana iraisam-pirenena […]

Atsimo Andrefana : mankato ny hisokafan’ny Base Toliara ny Antandroy

Mihamitombo sady mihamafy ny fitakian’ny mponina ny hanokafan’ny fanjakana ny orinasa Base Toliara. Anisan’izany ny foko Antandroy, maro an’isa any amin’ny toerana hisian’ny tetikasa, mivondrona ao anatin’ny Fikambanana terak’Androy (Fitea), tafavory marobe tany Andaboly. Eo am-piandrasana ny fampandrosoana ny fa­ritra Atsimo Andrefana ny mponina any Toliara. Toerana manana harena voajanahary […]

Taolagnaro : namatsy vola famatsian-drano ny QMM

Mitentina 260 tapitrisa Ar ny toby famatsian-drano fisotro avy amin’ny orinasa QMM ho an’ny tanànan’Andrakaraka, kaominina Taolagnaro. Ao anatin’io famatsiam-bola io koa ny kojakoja fanolo ilaina any aoriana any. Fomba fanasivanana voajanahary no entin’ity fotodrafitrasa ity, mamatsy paompy miisa telo ao an-tanàna. Mam­pihodina azy ny angovo azo havaozina avy amin’ny […]

FAO sy Micc : miara-miasa hisian’ny fahavitan-tena ara-tsakafo

Eo ny minisiteran’ny In­dostria, ny varotra sy ny fanjifana (Micc), miaraka amin’ny fanohanan’ny FAO, miara-miasa hisian’ny fahavitan-tena ara-tsakafo, araka ny fepetra iraisam-pirenena. Niarahan’ny roa tonta nanao sonia, omaly, ny tetikasa amin’ ny fanamafisana eto amin’ ny firenena ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy ara-pahasalamana. Ampiasaina avokoa ny fitaovana teknika rehetra sy fepetra […]