Natao ny alatsinainy sy talata teo ny fihaonana an-tampony eo amin’ireo mpitantana seranan-tsambo eto anivon’ny ranomasimbe Indianina. Nandray anjara tamin’izany ireo Nosy rahavavy, misy an’i Comores, Maurice, La Réunion, Mayotte, Seychelles ary i Madagasikara. Nanatrika izany koa ireo tomponandraikitra samihafa avy ao Taolagnaro sy ny avy ao amin’ny Société du […]
Toe-karena
E-koragna : ahena ny olana eo amin’ny fananantany
Nikarakara varavarana misokatra, andiany faharoa, ho an’ny rehetra, teny Malaza Ampitatafika ny «e-koragna», ny faran’ny herinandro lasa teo. 25 ireo olona nividy tany tao aminy ka nozaraina titra maha tompon’ny tany azy, nandritra izany. Nisy tranoheva maro teny an-toerana nanomezana torolalana sy fahalalana ho an’ny olona, mikasika ny tokony hatao […]
Toko bey telo : « Tsy zaka intsony ny tsy fisian’ny asa any Toliara »
Manome toky ny filoha Rajoelina ny fikambanana Toko bey telo fa ao an-damosiny izy ireo amin’ny fanokafana ny tetikasa Base Toliara. Efa nanao antso avo ny fanohanany ny hisokafan’ity orinasa ity ny fikambanana tany Toliara. Namerina manamafy izany indray izy ireo, ankehitriny, ka tonga eto Antananarivo, ireo filoha mpitarika miisa […]
Fandaharanasa PLAE 6 : hamerina amin’ny laoniny ny ala 45.000 ha
Hampiakatra ny harinkaren’ny mponina sy hanarina indray ireo toeram-pambolen’ny tantsaha amina kaominina maro samihafa ary hametraka ala arovana, amina hektara maro hatramin’ny taona 2027, ny fandaharanasa PLAE 6. Hifantoka amin’ny fiarovana ny sahandriaka, nofon-tany, hahafahana manohy ny fitrandrahana ny harena voajanahary. Hikojakoja ny tany sy hamerina ireo rano manondraka ny […]
Tetikasa Rindra : ho fanamafisana ny fitondrana tsara tantana
Natsangana ny tetikasa Rindra, tetikasan’ny Fandaharanasan’ny Firenena Mikambana ho an’ny fampandrosoana (PNUD). Mamatsy vola izany ny sampandraharaha Amerikana ho an’ny fampandrosoana eran-tany. Notontosaina omaly, teny amin’ ny Novotel Ivandry, ny fampahafantarana izany, tamin’ny fomba ofisialy. Novolavolaina mba hahafahana mandrindra ny antontan-kevitra avy amin’ireo minisitera sy ireo Andrimpanjakana samihafa ny tetikasa. […]





