Toe-karena

Lalana Moramanga-Ambatondrazaka: hotokanana amin’ity taona ity ny RN 44

Ho vita godirao tanteraka ny lalam-pirenena RN 44, mampitohy an’i Moramanga hatrany Ambatondrazaka. Etsy ankilany, mihapotika ny lalam-pirenena RNT 3A, eo Vohidiala mankany amin’ny tapany andrefan’ny farihin’Alaotra mipaka any Vohitraivo, sampanana mihazo an’Andilamena. Mamatsy vola ny fanamboarana ny lalam-pirenena RN 44 ny Banky iraisam-pirenena. Nanomboka ny taona 2019 ny asa, […]

Angovo: hitombo 1.000 MW ny herinaratra vokarina

Nitondra ny vinan’ny fanjakana mikasika ny angovo ho an’ny rehetra ny filoha Rajoelina, nandritra ny loabary an-dasy natao any Addis-Abeba Etiopia. Lohahevitra ny hoe «Fiarovana ny hahazoan’ny rehetra herinaratra», izay fivoriana andiany faha-36, nihaonan’ny filoham-panjakana sy ny lehibe governemanta ao anatin’ny Vondrona Afrikanina, nisokatra omaly 18 febroary. Nilaza ny filoha […]

Fivarotam-panafody : nankatoavin’ny HCC ny lalàna vaovao

Nohamafisin’ny Fitsarana avo momba ny Lalampano­renena (HCC), ny 25 janoary teo, fa mifanaraka tsara amin’ny Lalampanorenana ny tolo-dalàna mitondra fanovana ny sata mifehy ny tobim-panafody (Dépôt de médicament). Voakasik’izany ny sata mifehy ny fahasalamana efa nankatoavin’ny Antenimie­ram-pirenena sy ny Anteni­mierandoholona, momba ny toeran’ny tobim-panafody eken’ny lalàna. Voalaza ao anatin’ny fanovana […]

Tomira Toliara: mpilatsaka an-tsitrapo 200 nanadio lakandrano tany Toliara

Mandray andraikitra amin’ny fanatsarana ny tanànan’i Toliara ny fikambanana Tomira. Nanao asa tanamaro nanadiovana lakandrano izy ireo, notohanan’ny orinasa Base Toliara. Manana tanjona hanatsarana ny tanànan’i Toliara ny kaominina an-dRenivohitra Toliara. Ankoatra ny fidiram-bolany manokana, misy koa ny fiarahana miombon’antoka amin’ny mpisehatra samihafa, ahazoany fitaovana. Nilaza ny ben’ny Tanàna, Vita […]