Maromaro ny lohahevitra noresahan’ny filoha Rajoelina nandritra ny diany tany Morarano Chrome, Ambatondrazaka, omaly. Notsipihiny fa tsy maintsy miainga amin’ny fambolena raha handresy ny fahantrana. Mila hampitomboana ny velaran-tany ho volena, ka izay no mahatonga ny fanomezana ny kara-tany. Ilaina koa ny fampiasana zezika hampiakarana ny vokatra, toy ny vary. […]
Toe-karena
Ravinala Airports : notolorana “Airport Carbon Accreditation”
Notolorana « Airport Carbon Accreditation» (ACA), sokajy 1, ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Antananarivo sy Nosy Be, tantanan’ny Ravinala Airports. Ny ACI Eoropa nametraka io fepetra ACA io ho an’ny fitantanana seranam-piaramanidina tsy hampihanaka ny “carbone”. Homena fepetra mitovy ny seranam-piaramanidina rehetra, ka ny tanjona ny hahafahana mandrefy ny “carbone” mivoaka. Natolotra ny […]
Fahavitan-tena ara-tsakafo: nanome zezika 500 t ny orinasa Ambatovy
Azo hatao zezika ny Solfata amonioma (SA) avy amin’ny akora fanodinana ny nikela sy kobalta vokarin’ny orinasa Ambatovy. Sambany ny hampiasana izany, ankehitriny, entina hanatsarana sady hampiakarana ny vokatry ny tantsaha. Natao, omaly, tany Morarano Chrome, ny fanoloran’ny orinasa Ambatovy ny zezika Solfata amonioma (SA), azo avy amin’ny fanodinana ny […]
FMI : miankina amin’ny toekarena sinoa
Miankina amin’ny fiverenan’i Chine ny toekarena eran-tany, raha ny fahitan’ny FMI azy. Hiakatra 5,2 % ny toekarena sinoa amin’ity 2023 ity ary 4,5 % amin’ny taona 2024. Amin’ny ankapobeny ny fisokafan’ny toekarena sinoa dia tombontsoa ho an’ny toekarena eran-tany, hoy ny mpanadihady iray ao amin’ny FMI. Eran-tany, hitombo 2,9 % […]
Agence première ligne: mampiroborobo ny toekarena eto Madagasikara
Nanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety tetsy Antaninarenina ny Agence première ligne, omaly. Fantatra fa mahatratra dimy ny tolotra sy hetsika hokarakarain’ny orinasa amin’ity taona 2023 ity. Mitondra ny anjara birikiny amin’ny fampiroboroboana sy fampandrosoana ny toekarena sy fijery vaovao ho an’i Madagasikara ny tanjon’ny orinasa. Anisan’ny rafitra vaovao mitantana […]




