Nanomboka tamin’ny 1967 ny jono indostrialy makamba teto Madagasikara, taorian’ny fanadihadiana nataon’ny mpikaroka vahiny tany avaratra andrefan’ny Nosy. Aiza ho aiza ny valiny, 50 taona aty aoriana, nitondra vokatsoa ho an’i Madagasikara sa tsia ? Am-polo taona maro, tsy nitsahatra nivoatra ny jono indostrialy makamba teto Madagasikara, mbola niampy fiompiana tany […]
Toe-karena
Antenimieran-doholona : hanao tetikasa lavitr’ezaka miaraka amin’i Frantsa
Noraisin’ny filohan’ny Antenimierandoholona, Razafimahefa Herimanana, omaly tetsy Anosy, ny loholona frantsay, Rtoa Samantha Cazebonne sy ny masoivohon’i Frantsa eto amintsika, Arnaud Gaulois. Nanatrika ny fotoana koa ny kestiora, Eddie Fernand Serge. Noresahana ny lafiny fampianarana, ny kolontsaina ary ny tontolo iainana. Tanjona ny hisian’ny fiaraha-miasa ahazoan’ny andaniny sy ny ankilany […]
Jirama: ho tapaka ny jiro Anosizato hatrany Itasy anio
Hita avokoa ny fototry ny olana mikasika ny famatsiana herinaratra miainga eny amin’ny toby « sous-station Tana Sud » Anosizato hatrany amin’ny faritra Itasy. Tsy maintsy hatao, araka izany, ny fanarenana sy ny fanamboarana ny simba. Nilaza ny tompon’andraikitry ny Jirama fa sarotsarotra ny asa sady maro ny tsy maintsy hirosoana amin’ny fanapahana […]
Antenimieran’ny varotra sy ny asa tanana: tandindonin-doza ny ho avin’ny mpiasa ao Toamasina
Tandindonin-doza indray ny mpiasam-panjakana manodina tsy ankiato ny fampandehanana ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria ary ny asa tanana ao amin’ny faritra atsinanana. Noho ny ady misy eo amin’ny vondron’ny mpandraharaha roa nandray anjara tamin’ny fifidianana tamin’ ireo efatra no mahatonga izany: ny Goept sy ny Geptoa. Mangina kosa ny […]
Ampangabe : namboly zanakazo 6 000 ny MMRS
Natao, omaly zoma 10 febroary ny fambolen-kazon’ ny fianakaviamben’ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ ny tany sy ny loharanon-karena stratejika (MMRS). Teny amin’ny fokontany Ambohibarikely Ampangabe, kaominina Ambalavao, distrika Atsimondrano no nanatanterahana izany. Miisa 6 000 fototra ny zanakazo nambolena tamina velarantany 3 ha. Nandray anjara avokoa ny mpiasan’ny minisitera foibe sy […]




