Manaraka ny lentan’ny fivoarana eo amin’ny tontolon’ny fiarakodia ny CT Motors. Niampy telo indray ireo karazana fiara amidy ao aminy. Mitohy ny fandraharahana fiara avy amin’ny vondrona Great Wall Motors (GWM) ataon’ny eo anivon’ny CT Motors. Fiara karazany telo anatin’ireo hika farany vokarin’ny GWM indray no azon’ny mpakafia kodiarana efatra […]
Toe-karena
Fivoriana teny Iavoloha : tazonina ho 250 dolara ny kilaon’ny lavanila maina
Nihaona tamin’ny filoha Rajoelina ireo mpandraharaha amin’ny lavanila, ny alakamisy teo teny amin’ny Lapan’Iavoloha. Isan’izany ny mpamokatra, ny mpikarakara,ny mpanangom-bokatra ary ny mpanondrana any ivelany. Nanatrika ny fotoana koa ny minisitry ny Toekarena sy ny tetibola sy ny Indostria (MEF), ny varotra ary ny fanjifana (MICC) ary ny tale jeneralin’ny […]
Telma-2Africa : internet matanjaka indrindra
Tafapetraka ny 3 febroary 2023 teo, tany Mahajanga ny tariby fifandraisan-davitra (câble) any ambany ranomasina 2Africa. Niara-niombon’antoka nametraka azy ny orinasa Telma sy ny Vodafone, izay hamatsy an’i Afrika, indrindra ny aty amin’ny tapany atsinanana. Hisitraka sy ampiasa izany ny olona miisa 3 miliara. Tariby fifandraisan-davitra matanjaka indrindra maneran-tany ity […]
VONDRONA EOROPEANINA sy ny MAEH: fanatsarana ny famatsian-drano eto an-dRenivohitra
Isan’ny tohanan’ny Vondrona eoropeanina ny tetikasa Jirama Tana Water III, hanatsarana ny famatsian-drano fisotro eto Antananarivo sy ny manodidina. Eo koa ny fanadiovana ny lakan-drano hanafainganana ny fivarinan’ny rano. Nihaona tamin’ny minisitry ny Rano, fanadiovana sy fidiovana (MEAH), Ravokatra Fidiniavo, omaly, ny masoivohon’ ny Vondrona eoropeanina (UE) miasa eto Madagasikara, […]
Fenitra EITI : fitantanana mangarahara ny harena an-kibon’ny tany
Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasan’ny filoham-pirenena ny fametrahana ny fitantanana mahomby sy mangarahara. Anisan’ireny ny fitantanana ny harena an-kibon’ny tany. Isan’ny firenena mampihatra ny fenitra, fametrahana ny mangarahara amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ ny tany vaventy (EITI), i Madagasikara. Natao teny amin’ny Business Mining Ivato, omaly 09 febroary, ny fivorian’ny vaomieram- pirenena […]




