Nitondra fanazavana momba ny lavanila ny minisitry ny Indostria, ny varotra sy ny fanjifana, Razafindravahy Edgard, omaly, tao Ambohidahy. Tsy hihemotra amin’ny fanapahan-keviny ny fanjakana na misy ihany aza ireo mpandraharaha mpanondrana manao antsojay ny vidiny. Mandalo krizy ny lavanila malagasy. Tsy mividy lavanila voaomana ny mpandraharaha nahazo fankatoavana (agréement) […]
Toe-karena
Fihariana : betsaka ny mivelona amin’ny asa tanana
Nanaovana fanadihadiana ireo mivelona manokana amin’ny asa tanana. Nanatanterahana izany ny fifanarahana nifanaovan’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny tetibola, sy ny minisiteran’ny Indostria, ny varotra, ny asa tanana. Tao amin’ny foibe misahana ny asa tanana no nanolorana amin’ny antsipiriany momba ny mpanao asa tanana tena matihanina. Manerana ny Nosy ny nanangonana […]
Orange sy ny Cementis: fifanarahana ho an’ny “Toeram-ponenana Orange”
Nifanaraka ny Orange Madagascar sy ny Cementis Madagascar momba ny tetikasa sosialy hiarahan’izy ireo. Fifanarahana maharitra ho tombontsoan’ny mponina anatin’ny tontolo misy azy. Cementis Madagascar anatin’ny vondrona Cementis, malaza amin’ny famokarana sy fizarana simenitra sy kojakoja fanaovana simenitra aty amin’ny ranomasimbe Indianina. Miara-miasa ny Orange Solidarité Madagascar sy Cementis Madagascar, […]
Simba ny tontolo iainana: midadasika ny ala may noho ny volena
Ny ala may no betsaka noho ny novolena. Nambaran’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra fa 73 000 ha ny voavoly tamin’ny 2021, nefa 90 000 ha ny ala may nanomboka janoary hatramin’ny aogositra. Fanaovana saribao no antony voalohany, fa eo koa ny hasomparana fotsiny amin’izao. Tsiahivina ihany fa loza ho […]
Fandraharahana: mamono antoka ny fitaterana an-tanety
Anisan’ny miantoka ny toekarem-pirenena ny lalana any anivon’ny distrika, indrindra fa ny lalam-pirenena. Avy amin’io fotodrafitrasa io ny hamaritana ny fotoana lany, ny saran-dalana fandefasana entana, eraky ny tanàna. Kajian’ny mpandraharaha avy amin’izany lalana izany, indrindra ny masonkarenany rehetra sy ny tombom-barotra ho azy. Amin’ ny maha Nosy an’i Madagasikara, […]




