Nanana olana ihany koa ny orinasa mpamokatra herinaratra tany Rwanda, saingy tafarina tao anatin’ny fotoana fohy. Naka traikefa sy lesona tany an-toerana ny Jirama, niaraka tamin’ny solontenan’ny Banky iraisam-pirenena. Nihaona tamin’ny sekretera maharitry ny minisiteran’ny Fotodrafitrasa any Rwanda ny delegasiona avy aty Madagasikara, notarihin’ny solontenan’ny Banky iraisam-pirenena eto Madagasikara sy […]
Toe-karena
Afrika -CEDEAO*: ho an’ny fambolena, fotodrafitrasa, fitaterana
Nankatoavin’ny Banky afrikanina momba ny fampandrosoana (Bad) ny hanome 50 tapitrisa dolara sy 50 tapitrisa euros ireo tany afrikanina mpikambana ao Afrika andrefana. Mbola ampian’i Chine 30 tapitrisa dolara izany amin’ ny alalan’ny «Africa Growing Together» fiaraha-miasa eo amin’i Chine sy Afrika. Nomena izany famatsiam-bola izany mandritra ny telo taona […]
Varotra lavanila: nifampiresaka ny mpandraharaha sy ny minisitera
Ny 15 novambra 2022 no nisokatra ny fotoam-panondranana lavanila ary tsy hitsahatra izany raha tsy ny faran’ ny volana mey 2023. Natomboka ny dinika fitadiavam-bahaolana eo amin’ny fihariana lavanila manoloana ny olana misy sy ny fitarainana. Noho izany, nanokatra fiaraha-midinika tamin’ireo mpandraharaha mpanondrana lavanila ny minisitera misahana ny Varotra. Dingana […]
Mponina Tsinisiha Toliara : antso hiverenan’ny tetikasa vaventy
Misehatra amin’ny lafiny sosialy, ny asa, ny tontolo iainana, ny asa fanadiovana, sns ny fikambanana Fitaza. Ahitana ity fikambanana ity daholo ny fokontany miisa 41 any Toliara I. Nilaza ny filohany, Naina fa «mila asa izahay. Angatahanay ny filoham-pirenena, ny praiminisitra, ny mpikambana ao anaty governemanta, hanokatra indray ny Base […]
Fandraharahana: mitaky fitsarana madio sy tsy mitanila ny Gem
Mahatsikaritra ny Vondron’ny mpandraharaha eto Madagasikara (Gem), fa maromaro ny raharaham-pitsarana mikasika ny orinasa tsy miankina, tsy voahaja ny lalàna. Miteraka endrika ratsy ho an’ny Madagasikara ho an’ny mpampiasa vola vahiny izany, sy eo anatrehan’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena mahazatra. Manaitra ny sain’ny fitondram-panjakana ny Vondron’ny mpandraharaha eto Madagasikara mikasika ny […]




